Genesisy
Toko 39
- 1[Ny nanaovana an’i Josefa tao an-trano-maizina] Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan’i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany.
- 2Ary Jehovah nomba an’i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon’ilay Egyptiana tompony izy.
- 3Ary hitan’ny tompony fa nomban’i Jehovah izy, ka izay rehetra nataony dia nambinin’i Jehovah avokoa teo aminy.
- 4Ary Josefa nahita fitia teo imason’ny tompony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny.
- 5Ary hatramin’izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin’izay rehetra nananany dia notahin’i Jehovah ny tranon’ilay Egyptiana noho ny amin’i Josefa; ary ny fitahian’i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha.
- 6Dia navelany ho andraikitr’i Josefa izay rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony izay rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary Josefa dia bikàna sady tsara tarehy.
- 7Ary taorian’izany ny vadin’ny tompony nanopy ny masony hijery an’i Josefa ka nanao hoe: Avia handry amiko.
- 8Dia nandà izy ka nanao tamin’ny vadin’ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa.
- 9Tsy misy lehibe noho izaho raha amin’ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany, satria vadiny ianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?
- 10Ary na dia niteny tamin’i Josefa isan’andro aza ravehivavy, dia tsy nety nanaiky azy handry aminy izy na hiara-mitoetra aminy.
- 11Ary tamin’ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin’izay.
- 12Dia nisambotra azy tamin’ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe : Avia handry amiko; fa navelan’i Josefa teo an-tànany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano.
- 13Ary rehefa hitan-dravehivavy fa navelany teo an-tànany ny akanjony, sady lasa nandositra any ala-trano izy,
- 14dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin’ny feo mahery aho;
- 15ary nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany teto anilako ny akanjony, ary nandositra iny ka lasa any ala-trano.
- 16Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon’i Josefa, mandra-pahatongan’ny tompony tao an-trano.
- 17Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy;
- 18ary rehefa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka lasa nandositra any ala-trano izy.
- 19Ary rehefa ren’ny tompony ny tenin’ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon’ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany.
- 20Ary ny tompon’i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran’ny mpifatotra diso tamin’ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy.
- 21Nefa Jehovah nomba an’i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason’ny mpitandrina ny trano-maizina.
- 22Dia natolotry ny mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr’i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony.
- 23Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an’i Josefa, ary izay nataony dia nambinin’i Jehovah.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.