Genesisy
Toko 35
- 1[Ny nankanesan’i Jakoba tany Betela, sy ny nisehoan’Andriamanitra taminy indray] Ary hoy Andriamanitra tamin’i Jakoba : Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an’Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan’i Esao rahalahinao.
- 2Dia hoy Jakoba tamin’izay tao an-tranony mbamin’izay rehetra nomba azy: Ario ireo andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova, sady ovay ny fitafianareo;
- 3ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an’Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin’ny andron’ny fahoriako ary nomba ahy tamin’ny lalana izay nalehako.
- 4Dia natolony teo amin’i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin’i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin’i Sekema ireo.
- 5Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin’Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak’i Jakoba izy.
- 6Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin’ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy.
- 7Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-betela no anaran’izany tany izany; fa teo no nisehoan’Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan’ny rahalahiny.
- 8Ary maty Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr’i Betela, teo ambanin’ny hazo ôka; ary ny anaran’io dia nataony hoe Alona-bakota.
- 9Ary Andriamanitra niseho indray tamin’i Jakoba, raha tonga avy tany Mesopotamia izy, ka nitahy azy.
- 10Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany.
- 11Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin’ny haterakao;
- 12ary ny tany izay nomeko an’i Abrahama sy Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany.
- 13Ary Andriamanitra niakatra niala taminy, teo amin’ilay niresahany taminy.
- 14Ary Jakoba dia nanorina tsangam-bato teo amin’ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa.
- 15Ary ny anaran’ny tany izay niresahan’Andriamanitra taminy dia nataon’i Jakoba hoe Betela.
- 16[Ny nialan’i Jakoba tany Betela, sy ny nahafatesan-dRahely tany an-dalana, ary ny anaran’ny zanakalahin’i Jakoba roa ambin’ny folo] Dia nifindra niala tany Betela izy; ary nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza Rahely sady sarotiny.
- 17Ary nony sarotiny toy izany izy, dia hoy ny mpampivelona taminy: Aza matahotra ianao; fa izato koa no zazalahy ho anao.
- 18Ary rehefa hiala aina (fa maty izy), dia nataony hoe Benony ny anarany; fa ny rainy kosa nanao azy hoe Benjamina.
- 19Dia maty Rahely ka nalevina teo amin’ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
- 20Ary Jakoba nanorina tsangam-bato teo ambonin’ny fasany, dia ilay tsangam-bato ao amin’ny fasan-dRahely mandraka androany.
- 21Dia lasa nifindra Isiraely ka nanorina ny lainy tao ankoatr’i Migdaledera.
- 22Ary raha nonina teo amin’izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin’i Bila, vaditsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely.
- 23Ary ny zanakalahin’i Jakoba dia roa ambin’ny folo mirahalahy: ny zanak’i Lea dia Robena, lahimatoan’i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona;
- 24ny zana-dRahely kosa dia Josefa sy Benjamina;
- 25ary ny zanak’i Bila, ankizivavin-dRahely, kosa dia Dana sy Naftaly;
- 26ary ny zanak’i Zilpa, ankizivavin’i Lea, kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin’i Jakoba izay naterany tany Mesopotamia.
- 27Ary Jakoba nankany amin’Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian’i Abrahama sy Isaka.
- 28Ary ny andro niainan’Isaka dia valo-polo amby zato taona.
- 29Dia niala aina Isaka ka maty, ary voangona any amin’ny razany, rehefa tratrantitra sady ela niainana izy; ary dia nandevina azy Esao sy Jakoba zananilahy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.