Genesisy
Toko 29
- 1[Ny nanompoan’i Jakoba an’i Labana hahazoany an’i Lea sy Rahely ho vadiny, sy ny nahaterahan’ny zanany] Dia niainga Jakoba ka nankany amin’ny tanin’ny zanaky ny atsinanana.
- 2Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman’osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin’izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan’ny olona ny andian’ny ondry aman’osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan’ny fantsakana.
- 3Ary nangonina teo ny andian’ny ondry aman’osy rehetra, dia nakodian’ny olona ny vato hiala amin’ny vavan’ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman’osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan’ny lavaka fantsakana ho amin’ny fitoerany.
- 4Ary hoy Jakoba tamin’ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.
- 5Ary hoy izy taminy: Moa mba fantatrareo va Labana, zanakalahin’i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray ihany.
- 6Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zananivavy mitondra ny ondry aman’osy.
- 7Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin’ny fotoana famoriana ny omby aman’ondry; ampisotroy ny ondry aman’osy, dia andeha, andraso.
- 8Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian’ny ondry aman’osy rehetra, ka hakodian’ny olona ny vato hiala amin’ny vavan’ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman’osy izahay.
- 9Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman’osin-drainy; fa mpiandry ondry izy.
- 10Ary rehefa hitan’i Jakoba Rahely, zanakavavin’i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman’osin’i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin’ny vavan’ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman’osin’i Labana anadahin-dreniny izy.
- 11Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany.
- 12Dia nambaran’i Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy.
- 13Ary rehefa ren’i Labana ny filazany an’i Jakoba, zanak’anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran’i Jakoba tamin’i Labana izany rehetra izany.
- 14Ary hoy Labana taminy: Taolako sy nofoko tokoa ianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray volana Jakoba,
- 15dia hoy Labana taminy: Moa na dia rahalahiko aza ianao, dia hanompo ahy maina va ? Lazao amiko izay ho karamanao.
- 16Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran’ny zokiny, ary Rahely no anaran’ny zandriny.
- 17Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikàna sady tsara tarehy.
- 18Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy.
- 19Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.
- 20Dia nanompo an’i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.
- 21Ary hoy Jakoba tamin’i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr’androko.
- 22Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana.
- 23Kanjo nony hariva dia naka an’i Lea zananivavy izy ka nitondra azy ho any amin’i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba.
- 24Ary nomen’i Labana an’i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy.
- 25Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin’i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?
- 26Dia hoy Labana: Tsy fanao atỳ amin’ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan’ny zokiny.
- 27Tanteraho ny herinandron’ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray.
- 28Dia nataon’i Jakoba izany, ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomen’i Labana azy koa Rahely zananivavy ho vadiny.
- 29Ary nomen’i Labana an-dRahely zananivavy kosa Bila ankizivaviny hanompo azy.
- 30Dia novadin’i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an’i Labana fito taona indray izy.
- 31Ary rehefa hitan’i Jehovah fa nankahalaina Lea, dia nampanan’anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely.
- 32Dia nanan’anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian’ny vadiko aho.
- 33Dia nanan’anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Satria ren’i Jehovah fa efa nankalahaina aho, dia nomeny ahy koa ity; dia nataony hoe Simeona ny anarany.
- 34Dia nanan’anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana ny anarany hoe Levy.
- 35Dia nanan’anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an’i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.