Genesisy
Toko 15
- 1[Ny nanaovan’Andriamanitra fanekena tamin’i Abrama] Rehefa afaka izany, dia tonga tamin’i Abrama ny tenin’i Jehovah tamin’ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao.
- 2Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon’ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.
- 3Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin’ny ato an-tranoko no handova ahy.
- 4Ary, indro, ny tenin’i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao.
- 5Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan’ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao.
- 6Ary nino an’i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.
- 7Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran’ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao.
- 8Ary hoy Izy: Jehovah Tompo ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho?
- 9Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala.
- 10Dia nentiny teo aminy izany rehetra izany; ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy ny tapany; fa ny vorona tsy mba nosasahiny.
- 11Ary nidina teo amin’ny fatin’ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama.
- 12Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia sondrian-tory Abrama; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy.
- 13Ary hoy Jehovah tamin’i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin’ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy.
- 14Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy.
- 15Nefa ianao kosa ho any amin’ny razanao amin’ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra ianao vao hodi-mandry.
- 16Fa raha mby amin’ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita.
- 17Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan’ireo zavatra voasasaka ireo.
- 18Tamin’izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin’i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Egypta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata,
- 19dia ny Kenita sy ny Kenizita sy ny Kadmonita
- 20ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaita
- 21ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.