Eksodosy
Toko 40
- 1[Ny nananganana ny tabernakely] Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 2Amin’ny andro voalohany amin’ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin’ny trano-lay fihaonana.
- 3Ary ataovy ao ny fiaran’ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara.
- 4Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro.
- 5Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan’ny fiaran’ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin’ny varavaran’ny tabernakely.
- 6Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan’ny tabernakelin’ny trano-lay fihaonana.
- 7Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan’ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny.
- 8Ary amboary ny kianja manodidina, ka ahantòny ny vavahady lamba eo amin’ny vavahadin’ny kianja.
- 9Ary alao ny diloilo fanosorana, ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, dia hamasino izy mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ka dia ho masina izy.
- 10Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho masina indrindra izy.
- 11Ary hosory ny tavy sy ny faladiany, ka hamasino izy.
- 12Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin’ny rano izy.
- 13Ary ampiakanjoy an’i Arona ny fitafiana masina, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy.
- 14Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava.
- 15Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin’ny taranany fara mandimby.
- 16Dia nataon’i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah azy no nataony.
- 17Ary tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely.
- 18Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny zana-kazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny.
- 19Ary namelatra ny lay teo ambonin’ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.
- 20Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin’ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin’ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin’ny fiara.
- 21Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin’ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran’ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.
- 22Ary ny latabatra dia napetrany teo amin’ny trano-lay fihaonana, dia teo amin’ny lafin’ny tabernakely avaratra, teo ivelan’ny efitra lamba.
- 23Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan’i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.
- 24Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin’ny trano-lay fihaonana, tandrifin’ny latabatra, teo amin’ny lafin’ny tabernakely atsimo.
- 25Ary nampirehitra ny jiro teo anatrehan’i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.
- 26Ary ny alitara volamena dia nataony teo amin’ny trano-lay fihaonana, teo anoloan’ny efitra lamba;
- 27ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.
- 28Ary ny varavarana lamba dia nataony teo amin’ny varavaran’ny tabernakely;
- 29ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan’ny varavaran’ny tabernakelin’ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.
- 30Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan’ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana.
- 31Ary teo no nanasan’i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany.
- 32Raha niditra tao amin’ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.
- 33Ary natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vavahady lamba dia nataony teo amin’ny vavahadin’ny kianja. Dia vitan’i Mosesy ny asa rehetra.
- 34Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr’i Jehovah nameno ny tabernakely.
- 35Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin’ny trano-lay fihaonana, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr’i Jehovah nameno ny tabernakely.
- 36Ary raha niakatra niala tamin’ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak’Isiraely tamin’ny nandehanany rehetra;
- 37fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin’izay andro hiakarany.
- 38Fa ny rahon’i Jehovah dia teo ambonin’ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason’ny taranak’Isiraely rehetra, tamin’ny nandehanany rehetra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.