Eksodosy
Toko 2
- 1[Ny namonjena an’i Mosesy, sy ny nandraisan’ny zanakavavin’i Farao azy ho zanany] Ary nisy lehilahy anankiray avy amin’ny mpianakavin’i Levy lasa naka vady tamin’ny zanakavavin’i Levy.
- 2Dia nanan’anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara izy, dia nafeniny telo volana.
- 3Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron’i Neily ny fiara.
- 4Ary ny anabaviny nijanona teny lavidavitra eny, mba hahita izay hatao aminy.
- 5Ary nidina ny zanakavavin’i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana teny amoron’i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin’i Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy.
- 6Ary nony nosokafany, dia hitany ny zazakely; ary indro fa zazalahy mitomany. Dia namindra fo taminy izy ka nanao hoe: Isan’ny zanaky ny Hebreo ity.
- 7Dia hoy kosa ny anabaviny tamin’ny zanakavavin’i Farao: Handeha haka mpitaiza amin’ny vehivavy Hebreo va aho hankatỳ aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?
- 8Ary hoy ny zanakavavin’i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin’ny zaza.
- 9Ary hoy ny zanakavavin’i Farao taminy: Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.
- 10Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin’ny zanakavavin’i Farao izy, ka dia tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy; fa hoy izy: Satria tamin’ny rano no nangalako azy.
- 11[Ny nataon’i Mosesy hamonjeny ny namany, sy ny nandosirany nankany Midiana] Ary tamin’izany andro izany, rehefa lehibe Mosesy, dia nivoaka nankany amin’ny rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany mafy, ary nahita lehilahy Egyptiana nanavokavoka ny anankiray tamin’ny Hebreo rahalahiny.
- 12Dia niherikerika izy, ka nony hitany fa tsy nisy olona, dia novonoiny ilay Egyptiana, ary nasitriny tao amin’ny fasika ny faty.
- 13Ary nony ampitson’iny, dia nivoaka indray izy, ary, indreo, nisy Hebreo roa lahy niady; dia hoy izy tamin’ilay diso: Nahoana no mamono ny namanao ianao?
- 14Fa hoy izy: Iza no nanendry an’ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy koa va ialahy, tahaka ny namonoan’ialahy ilay Egyptiana? Dia raiki-tahotra Mosesy ka nanao hoe: Hay! fantatr’olona izany!
- 15Ary rehefa ren’i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an’i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan’i Farao ka nonina tany amin’ny tany Midiana; ny nipetraka teo anilan’ny lavaka fantsakana izy.
- 16Ary ny mpisorona tao Midiana nanana zanaka fito mirahavavy; ary avy izy ireo, dia nanovo rano ka nameno ny tavin-drano hampisotroany ny ondry aman’osin-drainy.
- 17Ary avy kosa ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy; fa Mosesy nitsangana ka namonjy azy, dia nampisotro rano ny ondry aman’osiny.
- 18Ary rehefa tonga teo amin-dRegoela rainy izy, dia hoy izy: Nahoana no dia nalaky tonga toy izany ianareo androany?
- 19Ary hoy izy ireo: Nisy lehilahy Egyptiana anankiray namonjy anay tamin’ny tanan’ny mpiandry ondry sady nanovo rano ho anay, dia nampisotro ny ondry aman’osy.
- 20Ary hoy izy tamin’ny zananivavy: Ka aiza izy? Nahoana no nilaozanareo izany lehilahy izany? Alao izy mba hihinan-kanina.
- 21Ary sitrak’i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zananivavy dia nomeny ho vadin’i Mosesy.
- 22Dia niteraka zazalahy izy, ary ny anarany nataon-drainy hoe Gersoma; fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin’ny tanin’ny firenena hafa aho.
- 23[Ny nisehoan’Andriamanitra tamin’i Mosesy, sy ny nanirahany azy hanafaka ny olony] Ary tao anatin’izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan’i Egypta; ary ny Zanak’Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.
- 24Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
- 25Ary Andriamanitra dia nijery ny Zanak’Isiraely ka nahafantatra azy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.