Eksodosy
Toko 36
- 1Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen’i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian’i Jehovah.
- 2Ary Mosesy dia nampaka an’i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nasian’i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin’ny fony hankeo amin’ny asa hanao azy.
- 3Ary izy ireo dia nandray tamin’i Mosesy ny fanatitra reĀhetra izay efa nentin’ny Zanak’Isiraely hanaovana ny asa amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin’i Mosesy.
- 4Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin’ny fitoerana masina, samy niala tamin’ny asany izay nataony avy,
- 5ka niteny tamin’i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin’ny asa nandidian’i Jehovah hatao.
- 6Dia nandidy Mosesy ka nandefa teny eran’ny toby rehetra nanao hoe: Aza misy manao zavatra intsony hatao fanatitra ho amin’ny fitoerana masina ianareo, na lahy na vavy. Dia izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony;
- 7fa ny zavatra efa nateriny dia ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza.
- 8[Ny nanaovana ny tabernakely sy izay rehetra momba azy] Ary ny hendry rehetra teo amin’izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin’ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
- 9Ny halavan’ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan’ny ambainy iray dia efatra hakiho: nitovy ohatra ny ambainy rehetra.
- 10Ambainy dimy navitrany ho iray; ary ambainy dimy koa navitrany ho iray.
- 11Ary nanao tadivavarana manga teo an-tsisin’ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin’ny anankiray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin’ny ambainy farany izy, dia teo an-tsisin’ny anankiray efa voavitrana koa.
- 12Tadivavarana dimam-polo no nataony teo amin’ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no nataony teo amin’ny sisin’ny ambainy izay amin’ny anankiray efa voavitrana koa; ary nifandray ny tadivavarana.
- 13Ary nanao farango volamena dimam-polo izy, ka nakambany tamin’ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny tabernakely.
- 14Ary nanao ambainy koa tamin’ny volon’osy izy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin’ny folo ambainy no nanaovany azy.
- 15Ny halavan’ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan’ny ambainy iray dia efatra hakiho; nitovy ohatra ny ambainy iraika ambin’ny folo.
- 16Ary navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana.
- 17Ary nanao tadivavarana dimam-polo ho eo anĀtsisin’ny ambainy iray izay farany amin’ny efa voa vitrana izy; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin’ny ambainy iray amin’ny anankiray koa efa voavitrana.
- 18Ary nanao farango varahina dimam-polo izy hampikambana ny lay ho iray.
- 19Ary nanao rakotry ny lay tamin’ny hoditr’ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny.
- 20Ary nanao ny zana-kazo akasia ho amin’ny tabernakely izy.
- 21Folo hakiho ny hahavon’ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben’ny zana-kazo iray.
- 22Ary lahiny roa no amin’ny zana-kazo iray, ka nasiany izay hikambanany; izany no nanaovany ny zana-kazo rehetra tamin’ny tabernakely.
- 23Ary nanao ny zana-kazo ho amin’ny tabernakely izy, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin’ny lafiny atsimo.
- 24Ary nanao faladia volafotsy efa-polo izy ho ambanin’ny zana-kazo roa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin’ny isan-janakazo hiorenan’ny lahiny roa.
- 25Ary nanao zana-kazo roa-polo ho eo amin’ny lafiny faharoa amin’ny tabernakely izy, dia ny lafiny avaratra.
- 26Ary nanao faladiany volafotsy efa-polo, izy dia faladia roa avy ho ambanin’ny isan-janakazo.
- 27Ary nanao zana-kazo enina ho eo amin’ny lafin’ny tabernakely andrefana izy, izay eo ivohony.
- 28Ary nanao zana-kazo roa ho eo amin’ny zoron’ny tabernakely tamin’ny lafiny ivoho izy.
- 29Ary nakambana ho iray izy hatramin’ny ambany ka hatramin’ny ambony, ka nasiana vava vola iray ihany; nataony toy izany avokoa izy roa ho eo amin’ny zorony roa.
- 30Ary nisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy; dia faladia enina ambin’ny folo: faladia roa avy ho ambanin’ny isan-janakazo iray.
- 31Ary hazo akasia no nataony barany: dia dimy ho amin’ny zana-kazo amin’ny lafiny iray amin’ny tabernakely,
- 32sy barany dimy ho amin’ny zana-kazo amin’ny lafiny iray koa amin’ny tabernakely, ary barany dimy ho amin’ny zana-kazo amin’ny lafiny andrefana izay ao ivohony.
- 33Ary nanao ny barany afovoany izy, ho afovoan’ny zana-kazo ka hahatratra ny farany roa.
- 34Ary ny zana-kazo nopetahany takela-bolamena, ary nataony volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran’ny barany: ary nopetahany takela-bolamena koa ny barany.
- 35Ary ny efitra lamba dia nataony manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, ary kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
- 36Ary nanao andry efatra tamin’ny hazo akasia izy hihantonan’izany, ary nopetahany takela-bolamena ireo, sady nataony volamena koa ny fihantonany; ary nandrendrika faladia volafotsy efatra izy’hiorenany.
- 37Ary nanao varavarana lamba ho eo amin’ny varavaran’ny lay izy, dia tamin’ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ny mahay tenona samy hafa soratra.
- 38Ary ny andriny dimy sy ny fihantonany dia nataony koa, ary nopetahany takela-bolamena ny lohany sy ny anjaka hitohizany; ary ny faladiany dimy dia nataony varahina.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.