Eksodosy
Toko 4
- 1Ary namaly Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Jehovah.
- 2Ary hoy Jehovah taminy: Inona moa iny an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity.
- 3Ary hoy Izy: Atsipazo amin’ny tany iny. Dia natsipiny tamin’ny tany ka tonga menarana, dia nandositra azy Mosesy.
- 4Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin’ny rambony iny, dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy
- 5mba hinoan’ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba.
- 6Ary hoy koa Jehovah taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tànany; ary nony notsoahany, dia, indro, efa boka ny tànany ka fotsy tahaka ny oram-panala.
- 7Ary hoy koa Izy: Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao (dia natsofony tao an-tratrany indray ny tànany; ary nony notsoahany tamin’ny tratrany, dia, indro, efa tonga tahaka ny hodiny indray izy).
- 8Ary raha tsy hino anao izy ka tsy hihaino ny feon’ny famantarana voalohany, dia hino ny feon’ny famantarana aoriana izy.
- 9Ary raha tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao, ka haidinao amin’ny tany maina; ary izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga rà eo amin’ny tany maina.
- 10Ary hoy Mosesy tamin’i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin’izao itenenanao amin’ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho.
- 11Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan’ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va
- 12Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao.
- 13Fa hoy izy: Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina.
- 14Dia nirehitra tamin’i Mosesy ny fahatezeran’i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony.
- 15Dia hiteny aminy ianao ka hanolo-teny azy; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo.
- 16Ary izy hiteny amin’ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary ianao kosa ho solon’Andriamanitra aminy.
- 17Dia ho entinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo.
- 18Dia lasa nandeha Mosesy ka niverina ho any amin’i Jetro rafozany ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, aoka aho handeha hiverina ho any amin’ny rahalahiko, izay any Egypta, ka hizaha na mbola velona ihany izy, na tsia. Ary hoy Jetro tamin’i Mosesy: Mandehana soa aman-tsara.
- 19Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Egypta, fa maty ny olona rehetra izay nitady ny ainao.
- 20Dia nalain’i Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin’ny tany Egypta izy; ary nentin’i Mosesy teny an-tànany ilay tehin’Andriamanitra.
- 21Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan’i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy.
- 22Ary lazao amin’i Farao hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely;
- 23koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefa azy ianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa.
- 24Ary nony tany an-dalana tao amin’ny fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy.
- 25Dia naka fiharatra vato Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia natsipiny teo anilan’ny tongony, ka hoy izy: Efa vady azoko amin’ny fandatsahan-drà ianao.
- 26Dia niala taminy Izy; ary hoy ravehivavy: Vady azo amin’ny fandatsahan-drà ianao, noho ny fora.
- 27Ary hoy Jehovah tamin’i Arona: Mandehana hitsena an’i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, dia nanoroka azy.
- 28Ary nambaran’i Mosesy tamin’i Arona izay teny rehetra efa nanirahan’i Jehovah azy sy izay famantarana rehetra efa nandidiany azy.
- 29Dia lasa nandeha Mosesy sy Arona ka nanangona ny loholon’ny Zanak’Isiraely rehetra.
- 30Dia nolazain’i Arona ny teny rehetra izay efa nolazain’i Jehovah tamin’i Mosesy, sady nataony teo imason’ny olona ny famantarana.
- 31Dia nino ny olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak’Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.