Eksodosy
Toko 23
- 1Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tanana amin’ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza.
- 2Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin’ny adin’olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny.
- 3Aza mandravaka ny tenin’ny malahelo eo amin’ny fandaharan-teniny ianao.
- 4Raha hitanao mania ny ombin’ny fahavalonao, na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy izany.
- 5Raha hitanao ny borikin’izay mankahala anao mihonaka ao ambanin’ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa.
- 6Aza mamily ny rariny izay ananan’ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy.
- 7Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho.
- 8Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ny mahiratra sy mamadika ny tenin’ny marina.
- 9Ary aza mampahory vahiny, fa ianareo mahalala ny fon’ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin’ny tany Egypta ihany ianareo.
- 10Ary enin-taona no hamafazanao amin’ny taninao sy hanangonanao ny vokatra;
- 11fa amin’ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin’ny malahelo amin’ny firenenao; ary izay sisan’ireo dia mba hohanin’ny biby any an-tsaha kosa. Toy izany koa no hataonao amin’ny tanim-boalobokao sy amin’ny tanin’olivanao.
- 12Henemana no hanaovanao ny raharahanao; fa amin’ny andro fahafito dia hitsahatra ianao, mba hialan’ny ombinao sy ny borikinao sasatra, ary mba hakan’ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny aina.
- 13Ary tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo, ka aza manonona ny anaran’andriamani-kafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin’ny vavanao izany.
- 14Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy.
- 15Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin’ny fotoan’andro amin’ny volana Abiba, fa tamin’izany no nivoahanao avy tany Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
- 16Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin’ny fanangonana amin’ny faran’ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.
- 17Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan’ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan’i Jehovah Tompo.
- 18Aza manatitra ny ran’ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran’ny zavatra vonoina amin’ny andro firavoravoana ho Ahy.
- 19Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.
- 20[Ny niantohan’Andriamanitra hiaro ny Zanak’Isiraely sy hamponina azy soa aman-tsara ao amin’ny tany Kanana] Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dalana sy hitondra anao ho any amin’ny fitoerana izay namboariko.
- 21Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy.
- 22Fa raha hihaino ny feony tokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon’ny fahavalonao sy ho rafin’ny rafinao Aho.
- 23Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin’ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny,
- 24Aza miankohoka eo anatrehan’ny andriamanitr’ireny ianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny tsangam-baton-tsampiny.
- 25Fa manompoa an’i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.
- 26Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin’ny taninao; hotanterahiko ny isan’ny andronao.
- 27Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho.
- 28Ary hampandeha fanenitra eo alohanao Aho, ka handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao ireny.
- 29Tsy handroaka azy eo alohanao amin’ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany, ka hihamaro hamely anao ny bibi-dia.
- 30Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany.
- 31Ary hatramin’ny Ranomasina Mena ka hatramin’ny ranomasin’ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin’ny efitra ka hatramin’ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin’ny tany ho eo an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao ianao.
- 32Aza manao fanekena aminy na amin’ny andriamaniny ianao.
- 33Tsy honina eo amin’ny taninao ireny, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny ianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany,
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.