Eksodosy
Toko 5
- 1[Ny nihaonan’i Mosesy sy Arona tamin’i Farao, sy ny nampitomboan’i Farao, ny fanompoan’ny Zanak’Isiraely] Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin’i Farao ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra.
- 2Fa hoy Farao: Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely.
- 3Ary hoy izy roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo efa nihaona taminay; koa trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an’i Jehovah Andriamanitray; fandrao Izy hamely anay amin’ny areti-mandringana, na amin’ny sabatra.
- 4Ary hoy ny mpanjakan’i Egypta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy Arona, no manaketraka ny olona amin’ny asany? mandehana any amin’ny fanompoanareo mafy.
- 5Ary hoy koa Farao: Indro, efa maro ankehitriny ny olona eto amin’ny tany, ka ianareo mampitsahatra azy amin’ny fanompoany mafy.
- 6Ary tamin’izany andro izany Farao nandidy ny mpampiasa ny olona mbamin’ny mpifehy azy ka nanao hoe:
- 7Aza omenareo mololo hanaovana biriky tahaka ny teo aloha intsony ny olona; fa izy ihany no aoka handeha hanangona mololo ho azy.
- 8Kanefa ny isan’ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola hampanaovinareo azy ihany, fa aza ahenanareo; fa malaina izy, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an’Andriamanitray.
- 9Hamafio ny fanompoan’ny olona mba hifotorany amin’izany, fa aza avela hihaino izay lainga foana izy.
- 10Dia nivoaka ny mpampiasa ny olona mbamin’ny mpifehy azy ka niteny tamin’ny olona nanao hoe: Izao no lazain’i Farao: Izaho tsy mba hanome mololo anareo intsony;
- 11fa mandehana ianareo ka manangona mololo any amin’izay hahitanareo, satria tsy hahena ny fanompoanareo na dia kely akory aza.
- 12Dia niely eran’ny tany Egypta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon’ny mololo.
- 13Ary ny mpampiasa nandodona azy ka nanao hoe: Vitao ny asanareo, izay anjara-fanompoana isan’andro, tahaka ny fony mbola nisy mololo ihany.
- 14Ary ny mpifehy ny Zanak’Isiraely, izay notendren’ny mpampiasa avy amin’i Farao mba hifehy azy, dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin’ny fanaovana ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha ?
- 15Dia nankao amin’i Farao ny mpifehy ny Zanak’Isiraely ka nitaraina taminy hoe: Nahoana no manao toy izany amin’ny mpanomponao ianao?
- 16Tsy omena mololo tsinona izahay mpanomponao, nefa mbola asaina manao biriky ihany; ary, indreto, izahay mpanomponao no kapohina, ka manota ny vahoakanao.
- 17Fa hoy Farao: Malaina dia malaina ianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an’i Jehovah.
- 18Ary ankehitriny, mandehana, ataovy izay fanompoanareo, fa tsy hisy mololo homena anareo; nefa ny anjara-birikinareo dia mbola hatolotrareo ihany.
- 19Ary hitan’ny mpifehy ny Zanak’Isiraely fa efa azon-doza izy noho ny nanaovana hoe: Tsy hahenanareo ny isan’ny birikinareo amin’ny anjara-fanompoana isan’andro.
- 20Ary izy ireo dia nihaona tamin’i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany amin’i Farao izy;
- 21dia hoy izy tamin’izy roa lahy: Jehovah anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan’i Farao sy eo anatrehan’ny mpanompony izahay, ka nasianareo sabatra eo an-tànany hamonoany anay.
- 22Ary Mosesy niverina ho any amin’i Jehovah ka nanao hoe: Tompo รด, nahoana no nahatonga loza tamin’ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao?
- 23Fa hatrizay nankanesako tao amin’i Farao mba hiteny amin’ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin’ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.