Eksodosy
Toko 18
- 1[Ny namangian’i Jetro an’i Mosesy, sy ny hevitra natorony azy] Ary efa ren’i Jetro, mpisorona tao Midiana, rafozan’i Mosesy, izay rehetra nataon’Andriamanitra ho an’i Mosesy sy ny Isiraely olony, dia ny nitondran’i Jehovah ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta.
- 2Dia nentin’i Jetro, rafozan’i Mosesy, Zipora, vadin’i Mosesy, rehefa nampivereniny izy,
- 3ary ny zanany mirahalahy: Gersoma no anaran’ny anankiray, fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin’ny tanin’ny firenena hafa aho;
- 4ary Eliezera kosa no anaran’ny anankiray, fa hoy izy: Andriamanitry ny razako no namonjy ahy ka nahafaka ahy tsy ho voan’ny sabatr’i Farao.
- 5Dia tonga Jetro, rafozan’i Mosesy, nitondra ny vady aman-janak’i Mosesy hankany aminy tany an-efitra, izay nitobiany teo anilan’ny tendrombohitr’Andriamanitra:
- 6dia nampilaza tamin’i Mosesy izy ka nanao hoe: Izaho Jetro rafozanao avy hamangy anao, ary ny vadinao mbamin’ny zanany roa lahy koa.
- 7Ary Mosesy nivoaka hitsena ny rafozany, dia niankohoka sady nanoroka azy; ary nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day.
- 8Ary nambaran’i Mosesy tamin’ny rafozany izay rehetra efa nataon’i Jehovah tamin’i Farao sy tamin’ny Egyptiana noho ny amin’ny Isiraely, mbamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny namonjen’i Jehovah azy.
- 9Dia faly Jetro noho ny soa rehetra izay efa nataon’i Jehovah tamin’ny Isiraely, izay novonjeny ho afaka tamin’ny tanan’ny Egyptiana.
- 10Ary hoy Jetro: Isaorana anie Jehovah, Izay namonjy anareo ho afaka tamin’ny tanan’ny Egyptiana sy tamin’ny tànan’i Farao, dia Izay namonjy ny olona tsy hotapahin’ny Egyptiana.
- 11Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin’izay zavatra nentin’ny Egyptiana nirehareha tamin’ireny.
- 12Ary Jetro, rafozan’i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an’Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon’ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin’ny rafozan’i Mosesy teo anatrehan’Andriamanitra.
- 13Ary nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona Mosesy; ka dia nijanona teo anatrehan’i Mosesy ny olona hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva.
- 14Ary rehefa hitan’ny rafozan’i Mosesy izay rehetra nataony tamin’ny olona, dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin’ny olona izao? Nahoana no ianao irery ihany no mipetraka, fa ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva?
- 15Ary hoy Mosesy tamin’ny rafozany: Satria mankaty amiko ny olona hanontany amin’Andriamanitra.
- 16Raha misy manana ady izy, dia mankaty amiko, ka mitsara azy roa tonta aho, dia mampahalala azy ny didin’Andriamanitra sy ny lalàny.
- 17Ary hoy ny rafozan’i Mosesy taminy; Tsy tsara izao zavatra ataonao izao.
- 18Samy ho reraka mihitsy, na ianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao.
- 19Ary ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho alalan’ny olona amin’Andriamanitra mba hitondranao ny teniny amin’Andriamanitra;
- 20ary hampianatra azy ny didy sy ny lalàna izay mety halehany sy ny asa izay mety hataony.
- 21Ary mizaha eo amin’ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy.
- 22Ary aoka ireo no hitsara ny olona mandrakariva, ka ny ady lehibe rehetra no aoka ho entiny aminao, fa ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany; dia ho maivamaivana kokoa aminao izany, ka dia hiara-mitondra aminao ireo.
- 23Raha hanao araka izany zavatra izany ianao, ka hilaza izay didy aminao Andriamanitra, dia haharitra ianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho tonga soa aman-tsara any amin’ny taniny.
- 24Dia neken’i Mosesy ny tenin’ny rafozany, ka nataony avokoa izay rehetra efa nolazainy.
- 25Dia nofidin’i Mosesy izay lehilahy mahay tamin’ny Isiraely rehetra ka nataony lohan’ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.
- 26Dia nitsara ny olona mandrakariva ireo; koa ny ady sarotra ihany no nentiny tao amin’i Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany.
- 27Ary Mosesy namoaka ny rafozany; ka dia lasa nody any amin’ny taniny izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.