Eksodosy
Toko 31
- 1[Ny nanendrena an’i Bezalila sy Oholiaba ho lohan’ny mpiasa] Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 2Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny firenen’i Joda;
- 3ary efa nofenoiko fanahin’Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ny tao-zavatra samy hafa:
- 4dia ny hihevitra hanao asa kanto, ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina
- 5sy ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony ary ny handrafitra hazo, mba hanaovany ny tao-zavatra samy hafa.
- 6Ary, indro, Izaho efa nanome an’i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny firenen’i Dana, ho namany; ary ny fon’izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao:
- 7dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay.
- 8sy ny latabatra mbamin’ny fanaka momba azy, sy ny fanaovan-jiro tsara mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra
- 9sy ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy, sy ny faladiany.
- 10ary ny fitafiana makarakara sy ny fitafiana masina ho an’i Arona mpisorona sy ny fitafian’ny zanany ho entiny misorona,
- 11ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin’ny fitoerana masina: araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon’ireo.
- 12[Ny amin’ny fitandremana ny Sabata] Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 13Ary dia milaza amin’ny Zanak’Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin’ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo.
- 14Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin’izany dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.
- 15Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an’i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin’ny andro Sabata dia hatao maty tokoa.
- 16Dia hotandreman’ny Zanak’Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin’ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany.
- 17Ho famantarana amiko sy amin’ny Zanak’Isiraely mandrakizay izany; fa tamin’ny henemana no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin’ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra.
- 18[Ny nanomezan’Andriamanitra ny vato fisaka izay nisy ny Lalàna] Ary rehefa vita ny teny nataony tamin’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan’Andriamanitra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.