Eksodosy
Toko 26
- 1Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo amin’ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
- 2Ny halavan’ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan’ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy rehetra.
- 3Ambainy dimy no havitrana ho iray; ary ambainy dimy koa no havitrana ho iray.
- 4Ary manaova tadivavarana manga ho eo an-tsisin’ny ambainy iray, dia eo an-tsisin’ny anankiray efa voavitrana; ary manaova toy izany koa amin’ny ambainy farany, dia eo an-tsisin’ny anankiray efa voavitrana koa.
- 5Tadivavarana dimam-polo no hataonao eo amin’ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no hataonao eo amin’ny sisin’ny ambainy izay amin’ny anankiray efa voavitrana koa; ary hifandray ny tadivavarana.
- 6Ary manaova farango volamena dimam-polo, ka akambano amin’ny farango ny ambainy, ka dia ho voakambana ho iray ny tabernakely.
- 7Ary manaova ambainy koa amin’ny volon’osy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin’ny folo ambainy no hanaovanao azy.
- 8Ny halavan’ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan’ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy iraika ambin’ny folo.
- 9Ary avitrano ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana. Ary aforeto ny ambainy fahenina amin’ny sakan’ny lay anatrehana.
- 10Ary manaova tadivavarana dimam-polo eo an-tsisin’ny ambainy iray izay farany amin’ny efa voavitrana; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin’ny ambainy iray amin’ny anankiray koa efa voavitrana.
- 11Ary manaova farango; varahina dimam-polo, ka ampidiro ho eo amin’ny tadivavarana ary akambano ny lay, ka dia ho iray ihany izy.
- 12Ary izay mihoatra amin’ny ambain’ny lay, dia ny antsasaky ny ambainy izay mihoatra, dia avelao hiraviravy eo ivohon’ny tabernakely.
- 13Ary ny iray hakiho avy eo amin’ny lohany roa amin’ny lamba, izay mihoatra amin’ny halavan’ny ambain’ny lay, dia avelao hiraviravy eo amin’ny lafibeny roa amin’ny tabernakely handrakotra azy.
- 14Ary manaova koa rakotry ny lay amin’ny hoditr’ondrilahy efa nomenaina, ary manaova sarony hodi-takasy ho eo amboniny.
- 15Ary manaova zana-kazo akasia ho amin’ny tabernakely.
- 16Folo hakiho ny hahavon’ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben’ny zana-kazo iray.
- 17Lahiny roa no ho amin’ny zana-kazo iray, ka hasiana izay hikambanany; izany no hanaovanao ny zana-kazo rehetra amin’ny tabernakely.
- 18Ary manaova ny zana-kazo ho amin’ny tabernakely, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin’ny lafiny atsimo.
- 19Ary manaova faladia volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin’ny isan-janakazo iray hiorenan’ny lahiny roa.
- 20Ary manaova zana-kazo roa-polo ho eo amin’ny lafiny faharoa amin’ny tabernakely, dia ny lafiny avaratra.
- 21Ary manaova faladiany volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin’ny isan-janakazo iray.
- 22Ary ny lafiny andrefana amin’ny tabernakely, izay ao ivohony, dia hanaovanao zana-kazo enina.
- 23Ary zana-kazo roa no hataonao ho eo amin’ny zoron’ny tabernakely amin’ny lafiny ivoho.
- 24Ary hakambana ho iray izy hatramin’ny ambany ka hatramin’ny ambony, ka hasianao vava vola iray ihany: ho toy izany avokoa izy roa; eo amin’ny zorony roa no hisy izany.
- 25Ary aoka hisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin’ny folo: faladia roa avy ho ambanin’ny isan-janakazo iray.
- 26Ary manaova barany hazo akasia: dia dimy ho amin’ny zana-kazo amin’ny lafiny iray amin’ny tabernakely,
- 27sy barany dimy ho amin’ny zana-kazo amin’ny lafiny iray koa amin’ny tabernakely, ary barany dimy ho amin’ny zana-kazo amin’ny lafiny andrefana izay ao ivohony.
- 28Ary ny barany afovoany, izay afovoan’ny zana-kazo, dia hahatratra ny farany roa.
- 29Ary ny zana-kazo hopetahanao takela-bolamena, ary hataonao volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran’ny barany; ary petaho takela-bolamena koa ny barany.
- 30Ary manangana ny tabernakely araka ny endriny, dia ilay naseho taminao tao an-tendrombohitra.
- 31Ary manaova efitra lamba manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
- 32Ary ahantòny amin’ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin’ny faladia volafotsy efatra no hiorenany.
- 33Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin’ny farango; ary ampidiro ao anatin’ny efitra lamba ny fiaran’ny Vavolombelona; ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra ho anareo.
- 34Ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia ataovy eo ambonin’ny fiaran’ny Vavolombelona eo amin’ny fitoerana masina indrindra.
- 35Ary apetraho eo ivelan’ny efitra ny latabatra, ary ny fanaovan-jiro tandrifin’ny latabatra amin’ny lafiny atsimo amin’ny tabernakely; ary ny latabatra ataovy eo amin’ny lafiny avaratra.
- 36Ary manaova varavarana lamba ho eo amin’ny lay, dia amin’ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ny mahay tenona samy hafa soratra.
- 37Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin’ny varavarana lamba, ka petaho takela-bolamena; ary ho volamena koa ny fihantonany; ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.