Eksodosy
Toko 30
- 1[Ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra] Ary manaova alitara handoroana ditin-kazo manitra; hazo akasia no hanaovanao azy.
- 2Ho iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro izy, ary ho roa hakiho ny hahavony; koa ataovy miray aminy ny tandrony.
- 3Ary petaho takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary asio koronosy volamena manodidina.
- 4Ary asio vava volamena roa izy eo ambanin’ny koronosiny, ka ataovy eo amin’ny zorony efatra ireo; ary ho fitoeran’ny bao ireo hilanjana azy.
- 5Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena.
- 6Ary apetraho eo anoloan’ny efitra izay manakona ny fiaran’ny Vavolombelona izy, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin’ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.
- 7Ary Arona handoro ditin-kazo mani-pofona eo; isa-maraina, raha mamboatra ny lela fanaovan-jiro, no handoroany izany;
- 8ary raha mampirehitra ny lela fanaovan-jiro Arona nony hariva no handoroany izany koa; ditin-kazo mani-pofona eo anatrehan’i Jehovah mandrakariva hatramin’ny taranakareo fara mandimby izany.
- 9Aza manatitra ditin-kazo manitra tsy izy eo ianareo, na fanatitra dorana, na fanatitra hohanina; ary aza manidina fanatitra aidina eo.
- 10Ary aoka Arona hanao fanavotana eo amin’ny tandrony indray mandeha isan-kerintaona; amin’ny ran’ny fanatitra noho ny ota, izay atao fanavotana, indray mandeha isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana eo, hatramin’ny taranakareo fara mandimby; ho masina indrindra ho an’i Jehovah izany.
- 11[Ny handoavana ny vola avotra] Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe;
- 12Raha maka ny isan’ny Zanak’Isiraely araka ny fandaminana azy ianao, dia samy handoa avotry ny ainy avy ho an’i Jehovah ny isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha alamina izy.
- 13Izao no haloan’izay reĀhetra voalamina, dia antsasaky ny sekely avy araka ny sekely masina (gera roa-polo ny sekely iray), eny, antsasaky ny sekely ho fanatitra ho an’i Jehovah.
- 14Izay rehetra voalamina hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra no handoa ny fanatitra ho an’i Jehovah.
- 15Ny manan-karena tsy handoa mihoatra noho ny antsasaky ny sekely, ary ny malahelo tsy handoa latsaka, raha mandoa ny fanatitra ho an’i Jehovah izy, hanavotra ny ainareo.
- 16Ary handray ny vola avotra amin’ny Zanak’Isiraely ianao, ka hataonao amin’ny fanompoana ao amin’ny trano-lay fihaonana; ary ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Isiraely eo anatrehan’i Jehovah izany, ho avotry ny ainareo.
- 17[Ny tavy, sy ny diloilo fanosorana, ary ny ditin-kazo manitra] Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 18Manaova tavy varahina hanasana, ary aoka ho varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo anelanelan’ny trano-lay fihaonana sy ny alitara izy, ka asio rano eo anatiny.
- 19Ary eo no hanasan’i Arona sy ny zanany ny tongony aman-tanany.
- 20Raha miditra amin’ny trano-lay fihaonana izy, dia hisasa amin’ny rano, mba tsy hahafaty azy. Ary raha manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana izy, mba handoro ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah,
- 21dia hanasa ny tongony aman-tànany izy, mba tsy hahafaty azy; ary ho lalàna mandrakizay aminy sy ny zanany izany hatramin’ny taranany fara mandimby.
- 22Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 23Makà zava-manitra tsara ho anao, dia miora mitete dimam-jato sekely sy havozomanitra antsasak’izany, dia dimam-polo amby roan-jato, sy veromanitra dimam-polo amby roan-jato
- 24sy kasia dimam-jato; araka ny sekely masina, ary diloilon’oliva eran’ny hina;
- 25dia amboary ho diloilo fanosorana masina izany, ho zavatra aharoharo, asan’ny mpangaroharo zava-manitra; ho diloilo fanosorana masina izany.
- 26Ary hosory amin’izany ny trano-lay fihaonana sy ny fiaran’ny Vavolombelona,
- 27sy ny latabatra mbamin’ny fanaka rehetra momba azy sy ny fanaovan-jiro mbamin’ny fanaka momba azy sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra,
- 28ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany.
- 29Ary hamasino ireo mba ho masina indrindra; ary ho masina izay rehetra manendry azy.
- 30Ary hosory Arona sy ny zanany, ka hamasino izy mba ho mpisorona ho Ahy.
- 31Ary mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Ity ho diloilo fanosorana masina ho Ahy hatramin’ny taranakareo fara mandimby.
- 32Aoka tsy hihosoran’ny olon-kafa izany, na hisy haka tahaka azy, araka ny fanaovana azy; fa masina izy ka ho masina aminareo.
- 33Na zovy na zovy mangaroharo izay tahaka azy, ary na zovy na zovy manosotra azy amin’ny vahiny dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.
- 34Dia hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Makà zava-manitra ho anao, dia natafa sy sekeleta sy helbena ary lebona madio; samy hamboarina manokana ireo.
- 35Ary ataovy ditin-kazo manitra izy, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon’ny mpangaroharo zava-manitra, dia asio sira izy, ary aoka ho madio sy masina.
- 36Ary torotoroy ny sasany ho madinika indrindra, dia ataovy eo anoloan’ny Vavolombelona ao amin’ny trano-lay fihaonana, izay hihaonako aminao; ho masina indrindra ho anareo izany.
- 37Ary ny amin’ny ditin-kazo manitra izay hataonao, dia aza mba misy atao tahaka azy ny ho anareo; ho masina aminao ho an’i Jehovah izany.
- 38Na zovy na zovy manao izay tahaka azy ho fanorohana dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.