Eksodosy
Toko 12
- 1[Ny Paska, sy ny loza fahafolo, izay nahafaty ny lahimatoa rehetra teo Egypta] Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy sy Arona teo amin’ny tany Egypta ka nanao hoe:
- 2Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin’ny taona ho anareo izy.
- 3Mitenena ianareo amin’ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin’ny andro fahafolo amin’ity volana ity dia aoka samy haka zanak’ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak’ondry iray avy no ho an’ny isan-trano;
- 4ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan’ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hanisanareo ny zanak’ondry.
- 5Zanak’ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin’ny ondry na amin’ny osy izy;
- 6ary hotehirizinareo izy hatramin’ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ity volana ity; dia hamono azy amin’ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
- 7Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin’ny tolam-baravarana roa sy amin’ny tataom-baravaran’ny trano izay hihinanany azy.
- 8Dia hohaniny amin’izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin’ny afo no hihinanany azy mbamin’ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin’ny anana mangidy.
- 9Aza hanina manta na voahandro amin’ny rano izy, fa atsatsiho amin’ny afo mbamin’ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny.
- 10Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahìny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin’ny afo.
- 11Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin’ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan’i Jehovah.
- 12Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin’izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin’ny tany Egypta hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah.
- 13Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.
- 14Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’i Jehovah; hatramin’ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay.
- 15Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin’ny voalohan’andro no hanesoranareo ny masirasira amin’ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin’ny Isiraely.
- 16Ary amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo ary amin’ny andro fahafito koa hisy fivoriana masina; tsy hanao raharaha akory ianareo amin’izany andro izany, afa-tsy izay hohanin’ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo.
- 17Ary hitandrina ny andron’ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta; dia hotandremanareo izany hatramin’ny taranakareo fara mandimby ho lalàna mandrakizay.
- 18Amin’ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo mofo tsy misy masirasira ambara-paharivan’ny andro fahiraika amby roa-polo amin’ny volana.
- 19Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho amin’ny fiangonan’ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany.
- 20Tsy hihinana na inona na inona izay misy masirasira ianareo; fa samy hihinana mofo tsy misy masirasira ao amin’izay itoeranareo rehetra avy ianareo.
- 21Dia nampanalain’i Mosesy ny loholon’ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska.
- 22Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin’ny rà izay ao anatin’ny bakoly ary ny rà izay ao anatin’ny bakoly dia anenteno amin’ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran’ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain’ny andro.
- 23Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny rà eo amin’ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana.
- 24Ary hitandrina izany zavatra izany, ianareo ho lalàna ho anareo sy ho an’ny taranakareo mandrakizay.
- 25Ary rehefa tonga any amin’ny tany izay homen’i Jehovah anareo araka izay nolazainy ianareo, dia tandremo izany fanompoana izany.
- 26Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton’izao fanompoana ataonareo izao?
- 27dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan’i Jehovah, Izay nandalo ny tranon’ny Zanak’Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka.
- 28Ary dia nandeha ny Zanak’Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy sy Arona no nataony.
- 29Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ny tany Egypta, hatramin’ny lahimatoan’i Farao izay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo izay tao amin’ny trano-maizina, mbamin’izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
- 30Ary nifoha raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana.
- 31Dia nampaka an’i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin’ny vahoakako ianareo sy ny Zanak’Isiraely, ary mandehana ka manompoa an’i Jehovah araka ny nolazainareo.
- 32Ary ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka mandehana; fa mba tsofy rano aho.
- 33Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin’ny tany, satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra.
- 34Dia nentin’ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin’ny lambany teny an-tsorony.
- 35Ary ny Zanak’Isiraely nanao araka ny tenin’i Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin’ny Egyptiana.
- 36Ary nataon’i Jehovah nahita fitia teo imason’ny Egyptiana ny olona, ka nomen’ireo azy izay nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana.
- 37Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak’Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
- 38Ary nisy olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy, ary ondry aman’osy sy omby, dia fananana be indrindra.
- 39Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.
- 40Ary ny andro nitoeran’ny Zanak’Isiraely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona.
- 41Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin’izany andro izany indrindra no nivoahan’ny antokony rehetra izay an’i Jehovah tamin’ny tany Egypta.
- 42Alina notandreman’i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin’ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an’i Jehovah ka hotandreman’ny Zanak’Isiraely rehetra hatramin’ny taranany fara mandimby.
- 43Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn’ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy.
- 44Ary ny andevolahin’ny olona rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao mba hihinana.
- 45Ny vahiny sy ny mpikarama tsy mba hihinana azy.
- 46Ao an-trano iray no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza.
- 47Ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, hitandrina izany.
- 48Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan’i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.
- 49Lalàna iray no ho amin’ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.
- 50Dia nataon’ny Zanak’Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy sy Arona no nataony.
- 51Ary tamin’izany andro izany indrindra no nitondran’i Jehovah ny Zanak’Isiraely nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta araka ny antokony.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.