Eksodosy
Toko 32
- 1[Ny nanaovan’ny Zanak’Isiraely ombilahy kely volamena hiankohofany, sy ny fahatezeran’Andriamanitra noho izany] Ary rehefa hitan’ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin’i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy,
- 2Ary hoy Arona taminy: Romboty ary ny kavim-bolamena, izay eny amin’ny sofin’ny vadinareo sy ny zanakareo-lahy ary ny zanakareo-vavy, ka ento etỳ amiko.
- 3Ary ny olona rehetra dia nandrombotra ny kavim-bolamena izay teny amin’ny sofiny ka nitondra azy ho eo amin’i Arona.
- 4Ary izy nandray azy tamin’ny tanan’ny olona, dia namboatra azy tamin’ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely anidina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Egypta.
- 5Ary raha hitan’i Arona izany, dia nanao alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona ka nanao hoe: Andro firavoravoana ho an’i Jehovah rahampitso.
- 6Dia nifoha maraina koa ny olona ka nanatitra fanatitra dorana sy nitondra fanati-pihavanana; ary nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao.
- 7Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Mandehana midina ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao niakatra avy tany amin’ny tany Egypta.
- 8Nalaky nivily niala tamin’ny lalàna izay nasaiko nalehany izy ka efa nanao ombilahy kely anidina ho azy; ary efa niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao fanatitra taminy izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Egypta.
- 9Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Efa hitako io firenena io, fa, indro, firenena mafy hatoka izy.
- 10Koa ankehitriny avelao hirehitra aminy ny fahatezerako, ka haringako izy; fa hahatonga anao ho firenena lehibe Aho.
- 11Fa Mosesy nifona tamin’i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, nahoana ny fahatezeranao no mirehitra amin’ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta tamin’ny hery lehibe sy ny tanana mahery?
- 12Nahoana ny Egyptiana no avela hilaza hoe: Mba hahita loza no nitondrany ireny nivoaka, hamonoany azy eny an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin’ny tany? Mialà amin’ny fahatezeranao mirehitra, ka manenena ny amin’ny loza izay hanjo ny olonao.
- 13Tsarovy Abrahama sy Isaka ary Isiraely mpanomponao, izay nianiananao tamin’ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra; ary izany tany rehetra nolazaiko izany dia homeko ny taranakareo, ary izy handova izany mandrakizay.
- 14Ary Jehovah dia nanenina ny amin’ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony.
- 15Ary Mosesy nihodina ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tànany; ny vato fisaka nosoratana teo amin’ny lafiny roa: dia teo anatrehany sy teo ambadika no nisy ny soratra.
- 16Ary ny vato fisaka dia asan’Andriamanitra, ary ny soratra dia soratr’Andriamanitra, voasoratra teo amin’ny vato fisaka.
- 17Ary rehefa ren’i Josoa ny fitabataban’ny olona izay nihorakoraka, dia hoy izy tamin’i Mosesy: Misy tabataban’ady atsy an-toby.
- 18Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian’ny mahery na feo fitomanian’ny resy no reko, fa feon’ny mihira.
- 19Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran’i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-tànany ka novakivakiny teo am-bodin’ny tendrombohitra.
- 20Dia nalainy ilay ombilahy kely izay efa nataon’ny olona ka nodorany tamin’ny afo, ary notorotoroiny ho vovoka, dia nafafiny tambonin’ny rano ka nampisotroiny ny Zanak’Isiraely.
- 21Ary hoy Mosesy tamin’i Arona: Inona no nataon’ity firenena ity taminao, no nitondranao heloka lehibe taminy?
- 22Fa hoy kosa Arona: Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao, tompoko, fa ianao mahalala ny toetry ny olona, fa mpanao ratsy izy;
- 23ary hoy izy tamiko: Manaova andriamanitra ho antsika, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.
- 24Ary hoy izaho taminy: Na zovy na zovy manam-bolamena, aoka handrombotra izany izy, ka dia nomeny ahy; ary natsipiko tao anaty afo izany, ka io ombilahy kely io no nivoaka.
- 25Ary rehefa hitan’i Mosesy fa natondraka hanaram-po amin’izay tsy mety ny olona, satria efa natondrak’i Arona ho fanakorana eo amin’ny fahavalony izy,
- 26dia nijanona teo amin’ny vavahadin’ny toby Mosesy ka nanao hoe: Izay rehetra an’i Jehovah mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak’i Levy rehetra niangona teo aminy.
- 27Dia hoy izy taminy: Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Samia manao ny sabany eo am-balahany avy ianareo, dia mandrosoa sy miverimberena amin’isam-bavahadin’ny toby, ary samia mamono ny rahalahiny avy sy ny sakaizany avy ary ny namany avy ianareo.
- 28Dia nanao araka ny tenin’i Mosesy ny taranak’i Levy; ary nahafatesana tokony ho telo arivo lahy ny olona tamin’izany andro izany.
- 29Fa Mosesy efa nilaza hoe: Manokàna ny tenanareo ho an’i Jehovah ianareo anio; eny, samia mamono ny zanany sy ny rahalahiny avy, mba hahazoanareo fitahiana anio.
- 30[Ny nifonan’i Mosesy, sy ny navalin’Andriamanitra azy] Ary nony maraina dia hoy Mosesy tamin’ny olona: Efa nanao fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny, dia hiakatra ho amin’i Jehovah aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin’ny fahotanareo.
- 31Ary Mosesy dia niverina ho ao amin’i Jehovah ka nanao hoe: Indrisy! efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy.
- 32Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin’ny bokinao izay nosoratanao ny anarako.
- 33Fa hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin’ny bokiko.
- 34Mandehana ankehitriny, ka ento ny olona ho any amin’izay efa nolazaiko taminao; indro, ny Anjeliko no hitarika anao eo aloha; ary amin’izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho.
- 35Ary Jehovah namely ny olona, satria nanao ny ombilahy kely izy, dia ilay nataon’i Arona.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.