Eksodosy
Toko 24
- 1[Ny namonoana fanatitra hanamafiana ny fanekena, sy ny nahitan’i Mosesy mbamin’ny loholon’ny Isiraely an’Andriamanitra] Ary hoy Izy tamin’i Mosesy: Miakara ao amin’i Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin’ny loholon’ny Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo;
- 2nefa Mosesy ihany no hanakaiky an’i Jehovah, fa ireo tsy mba hanakaiky; ary ny olona tsy hiakatra homba azy.
- 3Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin’ny olona ny teny rehetra izay nataon’i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain’i Jehovah dia hataonay.
- 4Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon’i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin’ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin’ny folo, araka ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo.
- 5Ary ny zatovo amin’ny Zanak’Isiraely nirahiny, dia nitondra fanatitra dorana ireo ka namono vantotr’ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an’i Jehovah.
- 6Ary nalain’i Mosesy ny antsasaky ny rà ka nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny rà kosa natopiny teo amin’ny alitara.
- 7Dia naka ny bokin’ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan’ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay sy hekenay.
- 8Ary nalain’i Mosesy ny rà ka natopiny tamin’ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran’ny fanekena izay nataon’i Jehovah taminareo ny amin’izany teny rehetra izany.
- 9Dia niakatra Mosesy sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy tamin’ny loholon’ny Isiraely.
- 10Dia nahita an’Andriamanitry ny Isiraely izy; koa ny teo ambanin’ny tongony dia toy ny fanganohanon’ny vato safira voavoatra, ary toy ny tenan’ny lanitra ny famirapirany.
- 11Ary tsy naninjitra ny tànany tamin’ireo lehiben’ny Zanak’Isiraely Izy; dia nahita an’Andriamanitra izy ireo, ary nihinana sy nisotro.
- 12Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy.
- 13Dia niainga Mosesy sy Josoa mpanompony; ary Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitr’Andriamanitra.
- 14Ary hoy izy tamin’ny loholona: Miandrasa anay eto mandra-piverinay eto aminareo; ary, indro, Arona sy Hora dia eto aminareo, koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin’izy roa lahy izy.
- 15Dia niakatra tao amin’ny tendrombohitra Mosesy, ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra.
- 16Ary ny voninahitr’i Jehovah nitoetra teo ambonin’ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona nanarona azy henemana; dia niantso an’i Mosesy tamin’ny andro fahafito teo afovoan’ny rahona Izy.
- 17Ary ny fijery ny voninahitr’i Jehovah teo an-tampon’ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason’ny Zanak ’Isiraely.
- 18Dia niditra tao afovoan’ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin’ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin’ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.