Eksodosy
Toko 10
- 1[Fahavalo: ny valala] Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Mankanesa ao amin’i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon’ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy;
- 2ary mba holazainao ho ren’ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
- 3Ary Mosesy sy Arona dia nankao amin’i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy.
- 4Fa raha mandà ka tsy mandefa ny oloko ianao, indro, hahatonga valala amin’ny taninao rehetra Aho rahampitso;
- 5dia handrakotra ny tany rehetra ireny, ka tsy ho hita ny tany; dia hohaniny ny sisan’ny havandra, izay navela ho anareo, ka hohaniny avokoa ny hazo rehetra izay maniry ho anareo any an-tsaha;
- 6dia hameno ny tranonao sy ny tranon’ny mpanomponao rehetra ary ny tranon’ny Egyptiana rehetra ireny; ary tsy mbola hitan’ny rainao na ny raibenao izay toy izay hatr’izay andro niainany tetỳ ambonin’ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin’i Farao.
- 7Ary hoy ny mpanompon’i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an’i Jehovah Andriamaniny; tsy mbola fantatrao va fa efa simba Egypta?
- 8Dia nisy nampiverina an’i Mosesy sy Arona hankao amin’i Farao indray: ary hoy izy taminy: Mandehana, manompo an’i Jehovah Andriamanitrareo; nefa iza avy moa no handeha?
- 9Ary hoy Mosesy: Ny tanora sy ny antitra aminay ho entinay handeha, ary ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy sy ny ondry aman’osinay ary ny ombinay ho entinay handeha; fa hisy andro firavoravoanay ho an’i Jehovah.
- 10Fa hoy Farao taminy: Aoka homba anareo ihany anie Jehovah, raha handefa anareo mbamin’ny zanakareo madinika aho; mitandrema, fa misy ratsy eo anoloanareo.
- 11Tsy izany, fa mandehana ianareo lehilahy lehibe ka manompoa an’i Jehovah, fa izany no tadiavinareo. Ary izy roa lahy dia noroahina hiala teo anatrehan’i Farao.
- 12Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Ahinjiro ambonin’ny tany Egypta ny tananao hihavian’ny valala, dia hiakatra ho eto amin’ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin’ny tany, dia izay rehetra sisan’ny havandra.
- 13Dia nahinjitr’i Mosesy tambonin’ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra rivotra avy any atsinanana hankany amin’ny tany mandritra iny andro sy iny alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any atsinanana.
- 14Ary ny valala niakatra ho amin’ny tany Egypta rehetra, dia nipetraka nanerana ny tany Egypta rehetra; ary nampahory indrindra ireny, ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary ato aoriany koa tsy hisy toy izany.
- 15Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin’ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan’ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran’ny tany Egypta rehetra, na tamin’ny hazo, na tamin’ny anana tany an-tsaha.
- 16Ary Farao dia nampaka an’i Mosesy sy Arona faingana ka nanao hoe: Efa nanota tamin’i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho.
- 17Ary ankehitriny, masìna ianao mamela ny fahotako izao indray mandeha izao ihany, ka mangataha amin’i Jehovah Andriamanitrareo hampialany amiko izao mahafaty iray loha izao monja.
- 18Dia niala teo amin’i Farao izy ka nangataka tamin’i Jehovah.
- 19Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin’ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran’ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza.
- 20Nefa Jehovah nanamafy ny fon’i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak’Isiraely izy.
- 21[Fahasivy: ny aizim-pito] Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin’ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina.
- 22Dia nahinjitr’i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran’ny tany Egypta rehetra hateloana,
- 23koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin’izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak’Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin’ny fonenany.
- 24Ary Farao dia nampaka an’i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana ianareo, manompoa an’i Jehovah; fa ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.
- 25Ary hoy Mosesy: Hianao no hanolotra eto an-tananay izay fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà haterinay ho an’i Jehovah Andriamanitray;
- 26ary ny omby aman’ondrinay dia ho entinay hiaraka aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hangalanay hanompoana an’i Jehovah Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay ho entinay manompo an’i Jehovah mandra-pahatonganay any.
- 27Ary Jehovah dia nanamafy ny fon’i Farao, ka tsy nety nandefa azy izy.
- 28Ary hoy Farao taminy: Mialà amiko; koa mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony ianao; fa amin’izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty ianao.
- 29Ary hoy Mosesy: Marina izay nolazainao; fa tsy hahita ny tavanao intsony aho.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.