Eksodosy
Toko 19
- 1[Ny nitobian’ny Zanak’Isiraely teo an-efitr’i Sinay, sy ny fanekena nataon’Andriamanitra taminy] TAMIN’ny volana fahatelo taorian’ny nialan’ny Zanak’Isiraely tamin’ny tany Egypta, dia tamin’izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr’i Sinay.
- 2Ary rehefa nifindra niala teo Refidima izy ka tonga tany amin’ny efitr’i Sinay, dia nitoby teo amin’ny efitra; dia tandrifin’ny tendrombohitra no nitobian’ny Isiraely teo.
- 3Ary Mosesy niakatra ho ao amin’Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakoba sy hambaranao amin’ny Zanak’Isiraely:
- 4Hianareo efa nahita izay nataoko tamin’ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin’ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko.
- 5Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
- 6Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin’ny Zanak’Isiraely.
- 7Dia nandeha Mosesy ka nampaka ny loholon’ny vahoaka, dia nalahany teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian’i Jehovah azy.
- 8Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin’i Mosesy tao amin’i Jehovah kosa ny tenin’ny olona.
- 9[Ny fiomanan’ny Zanak’Isiraely alohan’ny nanomezan’Andriamanitra azy ny Lalàna] Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin’ny rahona maizina, mba ho ren’ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran’i Mosesy tamin’i Jehovah ny tenin’ny olona.
- 10Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Mandehana ho eny amin’ny olona, ka manamasina azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy:
- 11ary aoka samy hiomana ho amin’ny andro fahatelo izy; fa amin’ny andro fahatelo no hidinan’i Jehovah ho eo imason’ny olona rehetra eo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay.
- 12Dia hanisy fefy manodidina ho an’ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin’ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa;
- 13tsy hisy tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin’ny tendrombohitra izy.
- 14Dia nidina avy tao amin’ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin’ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.
- 15Ary hoy izy tamin’ny olona: Miomàna ianareo ho amin’ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory.
- 16Ary nony tamin’ny marain’ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin’ny tendrombohitra, ary nisy feon’anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.
- 17Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin’Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin’ny tendrombohitra izy.
- 18Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra.
- 19Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy.
- 20Ary Jehovah nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, dia teo an-tampon’ny tendrombohitra; ary Jehovah niantso an’i Mosesy hankeo an-tampon’ny tendrombohitra; dia niakatra Mosesy.
- 21Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin’i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro.
- 22Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky an’i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah.
- 23Ary hoy Mosesy tamin’i Jehovah: Tsy mahazo miakatra ho eto amin’ny tendrombohitra Sinay ny olona; fa Hianao nandidy anay ka nanao hoe: Fefeo ny tendrombohitra, ka hamasino izy.
- 24Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana midina, nefa miakara ianao, ka ento hiaraka aminao Arona; fa ny mpisorona sy ny olona dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin’i Jehovah, fandrao haringana izy.
- 25Ary Mosesy dia nidina nankeny amin’ny olona ka niteny taminy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.