Eksodosy
Toko 27
- 1Ary manaova ny alitara amin’ny hazo akasia: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.
- 2Ary manaova ny tandrony eo amin’ny zorony efatra, ka ataovy miray aminy; ary petaho takela-barahina.
- 3Ary manaova ny vilaniny fandraofan-davenona handraofana ny lavenony ary ny sotron’afony sy ny loviany famafazana ary ny fitrebiny sy ny fitondran’afony; varahina no hanaovanao ny fanaka rehetra momba azy.
- 4Ary manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manaova vava-varahina efatra hatao ambonin’ny harato eo amin’ny zorony efatra,
- 5Ary ataovy eo ambanin’ny sikin’ny alitara hatreo ambodiny izany; ary aoka ny makarakara hanasaka ny alitara.
- 6Ary manaova bao ho amin’ny alitara, dia bao hazo akasia, ka petaho takela-barahina,
- 7Ary ampidiro eo amin’ny vava varahina ny bao; ary aoka ho eo amin’ny lafiny roa amin’ny alitara ny bao, raha lanjaina izy,
- 8Hazo fisaka no arafeto ho alitara, ka ataovy hobokaty; araka izay naseho taminao tao an-tendrombohitra no hanaovana azy.
- 9Ary manaova ny kianjan’ny tabernakely: amin’ny lafiny atsimo hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voahasina ho amin’ny kianja, zato hakiho ny halavany amin’ny lafiny iray;
- 10ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,
- 11Ary ho tahaka izany amin’ny lafiny avaratra, amin’ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,
- 12Ary hisy fefy lamba dimam-polo hakiho amin’ny sakan’ny kianja amin’ny lafiny andrefana; ho folo ny tsangantsangany, ary ho folo ny faladiany,
- 13Ary ny sakan’ny kianja amin’ny lafiny atsinanana ho dimam-polo hakiho.
- 14Ary hisy fefy lamba dimy ambin’ny folo hakiho amin’ny sakany iray; ho telo ny tsangantsangany, ary ho telo ny faladiany.
- 15Ary hisy fefy lamba dimy ambin’ny folo hakiho amin’ny sakany iray koa; ho telo ny tsangantsangany ary ho telo ny faladiany.
- 16Ary eo amin’ny vavahadin’ny kianja dia hisy vavahady sy lamba roa-polo hakiho, dia manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ny mahay tenona samy hafa soratra; ho efatra ny tsangantsangany, ary ho efatra ny faladiany.
- 17Ny tsangantsangany rehetra amin’ny kianja manodidina dia samy hisy anjaka volafotsy hitohizany; ho volafotsy ny fihantonany, ary ho varahina ny faladiany,
- 18Ny lavan’ny kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany.
- 19Ho varahina avokoa ny fiasana rehetra momba ny tabernakely; ary ny tsimatra rehetra momba azy sy ny tsimatry ny kianja ho varahina koa.
- 20Ary mandidia ny Zanak’Isiraely hitondra aminao diloilon’oliva tsara voavely hatao fanazavana, mba hampirehetana jiro mandrakariva.
- 21Ao anatin’ny trano lay fihaonana, dia eo ivelan’ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan’i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan’i Jehovah hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina; ho lalàna mandrakizay amin’ny Zanak’Isiraely izany hatramin’ny taranany fara mandimby,
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.