Eksodosy
Toko 1
- 1[Ny nitomboan’ny Zanak’Isiraely, sy ny fahoriana nanjo azy tany Egypta] Ary izao no anaran’ny zanak’Isiraely izay niaraka tamin’i Jakoba nankany Egypta; samy nandeha mbamin’ny ankohonany avy izy rehetra:
- 2Robena sy Simeona sy Levy ary Joda;
- 3Isakara sy Zebolona ary Benjamina;
- 4Dana sy Naftaly, ary Gada sy Asera.
- 5Ary ny isan’ny olona rehetra naterak’i Jakoba dia fito-polo; fa Josefa efa tany Egypta rahateo.
- 6Ary maty Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin’izany taranaka rehetra izany.
- 7Ary ny Zanak’Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany.
- 8Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an’i Josefa.
- 9Ary izy niteny tamin’ny vahoakany hoe: Indro, ny firenen’ny Zanak’Isiraely efa maro sy mahery noho isika;
- 10andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahìny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin’ny tany.
- 11Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin’ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an’i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.
- 12Nefa araka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia natahotra ny Zanak’Isiraely indrindra ny Egyptiana.
- 13Dia nampanompoin’ny Egyptiana fatratra ny Zanak’Isiraely,
- 14ka nataony mangidy ny fiainany tamin’ny fanompoana mafy, dia tamin’ny feta sy ny biriky mbamin’ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra.
- 15Ary ny mpanjakan’i Egypta niteny tamin’ny mpampivelona Hebreo (Sifra no anaran’ny anankiray, ary Poa no anaran’ny anankiray)
- 16ka nanao hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin’ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy.
- 17Nefa natahotra an’Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain’ny mpanjakan’i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy.
- 18Dia nampaka ny mpampivelona ny mpanjakan’i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka novelominareo ihany ny zazalahy?
- 19Fa hoy ny mpampivelona tamin’i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy.
- 20Dia nasian’Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona.
- 21Ary tamin’izany, satria natahotra an’Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen’Andriamanitra zanaka izy.
- 22Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an’i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.