Eksodosy
Toko 20
- 1[Ny nanomezan’Andriamanitra ny Didy Folo] Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe:
- 2Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta, tamin’ny trano nahandevozana.
- 3Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
- 4Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany.
- 5Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy;
- 6nefa kosa mamindra fo amin’ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
- 7Aza manonona foana ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon’i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
- 8Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasiĀna azy.
- 9Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
- 10Fa Sabatan’i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin’izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao.
- 11Fa henemana no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafito; izany no nitahian’i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.
- 12Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
- 13Aza mamono olona.
- 14Aza mijangajanga.
- 15Aza mangalatra.
- 16Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
- 17Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ny namanao akory aza.
- 18Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon’ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny.
- 19Dia hoy izy tamin’i Mosesy: Aoka ihany ianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay.
- 20Dia hoy Mosesy tamin’ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan’ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo.
- 21Dia nijanona teny lavitra eny ny olona, fa Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay nitoeran’Andriamanitra.
- 22Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Izao no lazaonao amin’ny Zanak’Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo.
- 23Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko.
- 24Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman’osinao sy ny ombinao; eo amin’ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.
- 25Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy ianao, dia handoto azy.
- 26Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin’ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.