Eksodosy
Toko 28
- 1[Ny amin’ny hanendrena ny mpisorona, sy izay ho fomban’ny fitafiany] Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin’ny zanany, avy amin’ny Zanak’Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin’i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak’i Arona.
- 2Ary manaova fitafiana masina ho an’i Arona rahalahinao ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
- 3Ary mitenena amin’izay hendry fo, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian’i Arona hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy.
- 4Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masina ho an’i Arona rahalahinao izy, sy ho an’ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
- 5Ary aoka haka ny volamena sy ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika izy.
- 6Dia aoka izy hanao ny efoda amin’ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ny mpanenona mahay.
- 7Aoka hisy soroka roa avy amin’ny sisiny roa hampikambana azy.
- 8Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay eo amboniny ka hiray aminy sady hitovy tarehy aminy, dia hatao volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
- 9Ary makà vato beryla roa, ka soraty eo aminy ny anaran’ny Zanak’Isiraely:
- 10ny anarany enina amin’ny vato iray, ary ny anarany enina kosa amin’ny vato iray, araka ny fizokiany;
- 11amin’ny asan’ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran’ny Zanak’Isiraely; ary asio randram-bolamena manodidina izy,
- 12Ary ataovy eo amin’ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Isiraely; ary Arona hitondra ireo anarany ireo eo anatrehan’i Jehovah amin’ny sorony roa ho fahatsiarovana.
- 13Ary manaova randram-bolamena
- 14sy olam-bolamena tsara roa; mifanolana toy ny tady no hanaovanao ireo, ary hataonao eo amin’ny randram-bolamena ireo alom-bolamena toy ny tady ireo.
- 15Ary manaova saron-tratra fitsarana, ka asan’ny mpanenona mahay, toy ny nanaovana ny efoda, no hanaovanao azy; volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina no hanaovanao azy.
- 16Ho efa-joro miforitra roa izy, ary ho irain-jehy avy ny lafiny efatra.
- 17Ary asio vato alatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra an-dalana: ny andalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
- 18ary ny andalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;
- 19ary ny andalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;
- 20ary ny andalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary asio randram-bolamena ny fitoerany avy.
- 21Ary ny vato dia alaharo araka ny anaran’ny Zanak’Isiraely, dia roa ambin’ny folo araka ny anarany; ary hisy soratra toy ny amin’ny fanombohan-kase, ho amin’ny firenena roa ambin’ny folo araka ny anarany avy.
- 22Ary eo amin’ny saron-tratra asio olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady.
- 23Ary manaova vava volamena roa ho eo amin’ny saron-tratra; ary ny vava vola roa dia ataovy eo amin’ny zorony roa ambony amin’ny saron-tratra.
- 24Ary ny tady volamena roa dia ataovy eo amin’ny vava vola roa, izay amin’ny zorony roa ambony amin’ny saron-tratra.
- 25Ary ny lanin’ny tady roa dia ataovy eo amin’ny soroky ny efoda anoloana.
- 26Ary manaova vava volamena roa, ka ataovy amin’ny zorony roa ambany amin’ny saron-tratra, dia amin’ny sisiny anatiny, izay manolotra ny efoda.
- 27Ary manaova vava volamena roa koa, ka ataovy eo amin’ny soroko roa amin’ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin’ny fikambanany, eo ambonin’ny fehin-kibo momba ny efoda.
- 28Ary kofehy manga no hamehezana ny vava volan’ny saron-tratra amin’ny vava volan’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka eo.
- 29Ary Arona hitondra ny anaran’ny Zanak’Isiraely eo amin’ny saron-tratra fitsarana manolotra ny fony, raha miditra amin’ny fitoerana masina izy, mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan’i Jehovah.
- 30Ary ataovy eo amin’ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy Tomima; ary hanolotra ny fon’i Arona izany, raha miditra eo anatrehan’i Jehovah izy; ka dia ho entin’i Arona manolotra ny fony mandrakariva eo anatrehan’i Jehovah ny fitsarana ny Zanak’Isiraely.
- 31Ary ny akanjo ivelany misy ny efoda dia ataovy manga avokoa.
- 32Ary asio vozony eo afovoany, ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon’ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy hahatriatra azy.
- 33Ary asio sarin’ampongaben-danitra manga sy volomparasy sy mena manodidina eny amin’ny moron-tongony, ary famohamandry volamena kosa eo anelanelany manodidina:
- 34dia famohamandry sy sarin’ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eny amin’ny moron-tongotry ny akanjo ivelany.
- 35Ary hiakanjoan’i Arona izany, raha manao ny fanompoam-pivavahany izy, mba ho re ny fanenony, raha miditra amin’ny fitoerana masina eo anatrehan’i Jehovah sy raha mivoaka izy, mba tsy hahafaty azy.
- 36Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN’I JEHOVAH.
- 37Ary asio kofehy manga izy, ka ataovy eo amin’ny hamama: dia eo anoloan’ny hamama no hasiana azy.
- 38Ary ho eo ambonin’ny handrin’i Arona izy, mba ho entin’i Arona ny heloky ny zava-masina, izay hohamasinin’ny Zanak’Isiraely amin’ny fanomezany masina rehetra; ary ho eo amin’ny handriny mandrakariva izany, mba hankasitrahana eo anatrehan’i Jehovah ny olona.
- 39Ary ny akanjo lava dia ataovy hariry madinika tenom-boaroy; ary manaova hamama rongony fotsy madinika sy fehin-kibo, asan’ny mahay tenona samy hafa soratra.
- 40Ary manaova akanjo lava ho an’ny zanak’i Arona, ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova satroka boribory ho azy ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
- 41Ary ataovy amin’i Arona rahalahinao sy ny zanany koa ireo; dia manosora azy sy manokana azy ary manamasina azy, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
- 42Ary manaova kalisaona fohy rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany; hatramin’ny valahany ka hatramin’ny feny no hisy azy.
- 43Ary hiakanjoan’i Arona sy ny zanany ireo, raha miditra amin’ny trano-lay fihaonana izy, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna mandrakizay aminy sy amin’ny taranany mandimby azy izany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.