Levitikosy
Toko 1
- 1[Ny fanatitra odorana] Ary Jehovah niantso an’i Mosesy ka niteny taminy tao amin’ny trano-lay fihaonana hoe:
- 2Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an’i Jehovah, dia omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo.
- 3Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan’i Jehovah izy.
- 4Ary hametraka ny tànany eo amin’ny lohan’ny fanatitra dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy.
- 5Dia hamono ny zanak’omby eo anatrehan’i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia hanatitra ny rà ka hanopy azy manodidina amin’ny lafin’ny alitara, izay eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana;
- 6ary hohodirany ny fanatitra dorana, dia horasainy tsara.
- 7Ary ireo zanak’i Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin’ny alitara ka handahatra kitay eo amin’ny afo.
- 8Ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia handahatra ny voarasa mbamin’ny lohany sy ny saborany eo ambonin’ny kitay eo amin’ny afo izay eo ambonin’ny alitara;
- 9fa ny taovany, sy ny tongony kosa hosasany amin’ny rano; dia hodoran’ny mpisorona ho fofona izy rehetra eo ambonin’ny alitara; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah.
- 10Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema koa no hateriny.
- 11Dia hamono azy eo avaratry ny alitara eo anatrehan’i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia hanopy ny rà manodidina amin’ny lafin’ny alitara.
- 12Dia horasainy tsara izy mbamin’ny lohany sy ny saborany; ary halahatry ny mpisorona eo ambonin’ny kitay izy eo amin’ny afo izay eo ambonin’ny alitara;
- 13fa ny taovany sy ny tongony kosa hosasany amin’ny rano; dia ho entin’ny mpisorona izy rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara; ho fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah.
- 14Ary raha vorona no ateriny ho an’i Jehovah ho fanatitra dorana, dia domohina na zana-boromailala no hateriny ho fanatiny.
- 15Ary haterin’ny mpisorona ho eo amin’ny alitara izany, ka hotapahiny amin’ny hoho ny lohany, dia hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara, ary hofiazany eo amin’ny rindrin’ny alitara ny ràny;
- 16ary hesoriny ny takorobabony sy ny ao anatiny, ka hariany eo atsinanan’ny alitara, dia eo amin’ny fitoeran-davenona;
- 17ary hosamahany amin’ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara, ambonin’ny kitay izay eo amin’ny afo; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.