Levitikosy
Toko 25
- 1[Lalàna ny amin’ny taona sabata sy ny Jobily] Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay ka nanao hoe:
- 2Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin’ny tany izay omeko anareo ianareo, aoka hisy fitsaharana ho an’ny tany, dia sabata ho an’i Jehovah.
- 3Enin-taona no hamafazanao ny taninao, enin-taona no hanamboaranao ny sahanao sy hanangonanao ny vokatra;
- 4fa ny taona fahafito kosa ho tena fitsaharana ho an’ny tany, dia sabata ho an’i Jehovah; aza mamafy amin’ny taninao ianao, ary aza mamboatra ny sahanao.
- 5Aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ny voa nihintsana tamin’ny fararano lasa, ary aza mioty ny voaloboka avy tamin’izay tsy namboarinao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an’ny tany izany.
- 6Ary izay maniry ho azy amin’ny sabatan’ny tany no ho hanina ho anao sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao sy ny mpikarama sy ny vahiny eo aminao
- 7sy ny biby fiompinao ary ny bibidia izay eo amin’ny taninao; izay vokatra rehetra eo no hohaniny.
- 8Ary manisà sabatan-taona fito ho anao, dia fito taona impito, ka ny hanisanao ny andron’ireo sabatan-taona fito ireo dia sivy amby efa-polo taona.
- 9Dia mitsofa anjomara avo feo amin’ny andro fahafolo amin’ny volana fahafito; dia amin’ny andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran’ny taninareo.
- 10Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin’ny tany ho an’ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin’ny taninareo avy ianareo sy any amin’ny mpianakavinareo avy.
- 11Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy ianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ny voa nihintsana tamin’ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin’izay tsy namboarinareo;
- 12fa Jobily izany ka ho masina ho anareo. Izay vokatra alaina any an-tsaha no hohaninareo.
- 13Amin’izany taona Jobily izany dia samy hody amin’ny taninareo avy ianareo.
- 14Ary raha mivarotra na mividy zavatra amin’ny namanao ianao, aza misy manao sarotra:
- 15araka ny isan’ny taona aorian’ny Jobily no hividiananao amin’ny namanao; ary araka ny isan’ny fararano no hivarotany aminao.
- 16Araka ny hamaron’ny taona no hampitomboanao ny vidiny, ary araka ny havitsin’ny taona sisa no hampihenanao ny vidiny; fa araka ny isan’ny fararano no hivarotany aminao.
- 17Ary aza misy manao sarotra ianareo, fa matahora an’Andriamanitrao; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
- 18Ary araho ny didiko, ary tandremo ny fitsipiko, ka araho izy; dia handry fahizay amin’ny tany ianareo.
- 19Ary ny tany hahavoka-javatra dia hihinana ianareo ka ho voky, ary handry fahizay.
- 20Ary andrao ianareo manao hoe: Inona no hohaninay amin’ny taona fahafito? fa, indro, tsy mamafy izahay, na manangona ny vokatray;
- 21dia hataoko aminareo ny fitahiako amin’ny taona fahenina, ka hisy vokatra ampy ho anareo amin’ny telo taona.
- 22Ary hamafy amin’ny taona fahavalo ianareo ka hihinana ny tranainy mandra-pahatongan’ny taona fahasivy; mandra-pahatongan’ny vao no hihinananareo ny tranainy.
- 23Ary ny tany tsy hatao varo-maty, satria Ahy ny tany; fa vahiny sy mpivahiny amiko ianareo.
- 24Ary havelanareo ho azo avotana ny tany eo amin’ny tany rehetra izay lovanareo.
- 25Raha tàhiny mihamalahelo ny rahalahinao, ka nivarotany ny taniny, dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay namidin’ny rahalahiny.
- 26Ary raha tsy manan-kavana hanavotra ralehilahy, nefa nambinina izy ka nahazo izay ampy ho enti-manavotra azy,
- 27dia aoka hanisa ny taona hatramin’ny nivarotany azy izy ka handoa ny hevitry ny taona sisa ho an’ny lehilahy izay nivarotany azy; ka dia hody amin’ny taniny izy.
- 28Fa raha tsy nahazo izay ampy handoavana izany izy, izay namidiny dia mbola hitoetra eo an-tànan’ilay nividy azy ihany mandra-pahatongan’ny taona Jobily; ary ho afaka izany amin’ny Jobily, ka hody amin’ny taniny ralehilahy.
- 29Ary raha misy olona mivarotra trano itoerana ao amin’ny tanàna mimanda, dia hahazo manavotra azy izy mandra-pahatapitry ny herintaona nivarotany azy; fa ao anatin’izany no hahazoany manavotra azy.
- 30Fa raha tsy voavotra mandra-pahatapitry ny herintaona kosa ilay trano ao amin’ny tanàna mimanda, dia tapaka ho varo-maty ho an’izay nividy azy sy ho an’ny taranany izany; tsy ho afaka izany na dia amin’ny Jobily aza.
- 31Fa ny trano ao amin’ny vohitra izay tsy misy manda manodidina kosa dia hatao taha, ka ny tany ihany; ho azo avotana ihany izany, na ho afaka amin’ny Jobily.
- 32Kanefa ny amin’ny tanànan’ny Levita, ny trano ao amin’ny tanàna izay ho anjarany dia ho azon’ny Levita avotana ihany na oviana na oviana.
- 33Ary raha misy Levita manavotra azy, dia ho afaka amin’ny Jobily ny trano izay namidy sy ny tanàna izay anjarany; fa ny trano ao an-tanànan’ny Levita dia lovany ao amin’ny Zanak’Isiraely.
- 34Fa ny tany manodidina ny tanànany kosa dia tsy azo hamidy; fa ho lovany mandrakizay izany.
- 35Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao izay miara-monina aminao ka reraka, dia vonjeo izy, ka aoka mba ho velona eo aminao tahaka ny vahiny sy ny mpivahiny izy.
- 36Aza maka zana-bola na tombony aminy; fa matahora an’Andriamanitrao, mba ho velona eo aminao ny rahalahinao.
- 37Aza mampanàna vola aminy, ary aza mampisambotra hanina hahazoana tombony:
- 38Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta, hanome anareo ny tany Kanana, mba ho Andriamanitrareo.
- 39Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao ka mivaro-tena aminao, aza ampanompoinao toy ny andevo izy;
- 40fà aoka hitoetra eo aminao tahaka ny mpikarama sy tahaka ny vahiny izy; mandra-pahatongan’ny taona Jobily no hanompoany anao.
- 41Dia ho afaka izy sy ny zanany ka hody amin’ny mpianakaviny sy amin’ny tanin-drazany koa.
- 42Fa mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta izy ka tsy hamidy tahaka ny andevo.
- 43Aza mampanompo azy fatratra, fa matahora an’Andriamanitrao.
- 44Ary ny amin’izay ho andevolahinao sy andevovavinao, dia amin’ny jentilisa izay manodidina anareo no hividiananareo azy.
- 45Ary amin’ny zanaky ny vahiny eo aminareo sy amin’ny taranany izay haterany eo amin’ny taninareo no hividiananareo koa; ary dia ho fanananareo izany.
- 46Ary hataonareo lovan’ny zanakareo mandimby anareo izany ho fananana holovany ka hampanompoinareo mandrakizay fa ny Zanak’Isiraely rahalahinareo dia aza mba ampanompoina fatratra.
- 47Ary raha tonga manan-karena ny vahiny izay monina eo aminao na ny mpivahiny, ary ny rahalahinao eo aminy mihamalahelo kosa ka mivaro-tena amin’ny vahiny eo aminao, na amin’ny taranaky ny vahiny;
- 48na dia nivaro-tena aza izy, dia azo avotana indray; ny anankiray amin’ny rahalahiny no mahazo manavotra azy:
- 49na ny rahalahin-drainy, na ny zanak’olo-mirahalahy aminy, na izay havany akaiky azy amin’ny mpianakaviny no mahazo manavotra azy; kanefa raha tratry ny ananany, dia hanavo-tena izy.
- 50Ary dia hisainy amin’izay nividy azy hatramin’ny taona nivarotana azy ka hatramin’ny taona Jobily; ary ny vola nivarotany ny tenany dia hoheverina araka ny isan’ny taona; dia ara-kevitry ny andron’ny mpikarama no hiheverana azy.
- 51Raha mbola maro ny taona sisa, dia ara-keviny ihany no handoavany ny avony avy amin’ny vola vidiny teo aloha.
- 52Any raha vitsy kosa ny taona sisa mandra-pahatongan’ny taona Jobily, dia hanisa izany aminy izy, ka ara-kevitry ny taona ihany no handoavany ny vola avony.
- 53Tahaka izay karamaina isan-taona no hitoerany eo aminy; fa aoka tsy hampanompoina fatratra eo imasonao izy.
- 54Ary raha tsy voavotra amin’izay izy, dia ho afaka amin’ny taona Jobily izy sy ny zanany koa.
- 55Fa mpanompoko ny Zanak’Isiraely, dia mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.