Levitikosy
Toko 17
- 1[Ny amin’ny hamonoana ny biby hatao fanatitra, sy ny amin’ny mifady rà] Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 2Mitenena amin’i Arona sy ny zanany ary ny Zanak’Isiraely rehetra hoe: Izao no nandidian’i Jehovah:
- 3Na iza na iza amin’ny taranak’Isiraely no mamono omby, na zanak’ondry, na osy, na eo an-toby, na any ivelan’ny toby,
- 4ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an’i Jehovah eo anoloan’ny tabernakelin’i Jehovah, dia ho meloka noho ny rà nalatsany izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin’ny fireneny izy,
- 5mba ho entin’ny Zanak’isiraely ho an’i Jehovah eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana, ho amin’ny mpisorona, ny zavatra vonoiny ho fanatitra, izay famonony tany an-tsaha; ary dia hateriny ho fanati-pihavanana ho an’i Jehovah izany.
- 6Ary ny mpisorona hanopy ny rà amin’ny alitaran’i Jehovah eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana ka handoro ny saborany ho fofona ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah.
- 7Ary tsy hateriny intsony ny fanatiny ho an’ny Seïrima izay nijangajangany. Ho lalàna mandrakizay hatramin’ny taranany fara mandimby izany.
- 8Ary lazao aminy hoe: Na iza na iza amin’ny taranak’Isiraely, na amin’ny vahiny eo aminareo, no manatitra fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà,
- 9ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana hanatitra azy ho an’i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.
- 10Ary na iza na iza amin’ny taranak’Isiraely, na amin’ny vahiny eo aminareo, no mihinan-drà, ny Tavako dia hanandrina ny olona izay mihinan-drà, ka hofongorana tsy ho amin’ny fireneny izy.
- 11Fa ny ain’ny nofo dia amin’ny rà; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ny alitara hanao fanavotana ho an’ny ainareo, fa ny rà no manao fanavotana, satria aina izany.
- 12Koa izany no nilazako tamin’ny Zanak’Isiraely hoe: Aza misy mihinan-drà, na ianareo, na ny vahiny eo aminareo.
- 13Na iza na iza amin’ny Zanak’Isiraely, na amin’ny vahiny eo aminy, no mihaza ka mahazo biby na vorona izay fihinana, dia haidiny amin’ny tany ny ràny ka hototofany;
- 14fa ny amin’ny amin’ny nofo rehetra, dia ny ràny no ainy; koa izany no nilazako tamin’ny Zanak’Isiraely hoe: Aza mihinana ny ran’ny nofo; fa ny ràny no ain’ny nofo rehetra, ka izay rehetra mihinana azy dia haringana.
- 15Ary ny olona rehetra, na tompon-tany, na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy, na izay noviraviraim-biby, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ny andro izy, vao hadio.
- 16Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy, dia ho meloka.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.