Levitikosy
Toko 21
- 1[Lalàna ny amin’ny fahamasinan’ny mpisorona] Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin’ireo mpisorona, zanak’i Arona, hoe: Aoka ianareo tsy hisy hiditra am-paty eo amin’ny fireneny,
- 2afa-tsy amin’ny tahaka ny tenany, dia ny reniny sy ny rainy sy ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny rahalahiny;
- 3ary amin’ny fatin’ny anabaviny, izay tahaka ny tenany ihany koa sady tsy mbola manam-bady fa virijina, no ahazoany mandoto ny tenany.
- 4Tsy hiditra am-paty hametaveta ny tenany izy, satria andriana eo amin’ny fireneny izy.
- 5Tsy hanasola ny lohany izy, na hanaratra ny vaokany, na hitetika ny tenany.
- 6Ho masina ho an’Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran’Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah izy, dia ny hanin’Andriamaniny, ka dia tokony ho masina.
- 7Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran’ny lahy; fa masina ho an’Andriamaniny ny mpisorona.
- 8Dia hamasino izy, fa ny hanin’Andriamanitrao no ateriny; ho masina aminao izy, fa masina Aho Jehovah, Izay manamasina anareo.
- 9Ary raha ny zanakavavin’ny mpisorona mandoto ny tenany amin’ny fijangajangana, dia efa manamavo ny rainy izy ka hodorana amin’ny afo.
- 10Ary ny mpisoronabe, izay nalaina tamin’ny rahalahiny, ka nanidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sady natokana hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo, na handriatra ny fitafiany.
- 11Ary aoka tsy hiditra am-paty akory izy, ka tsy handoto ny tenany na dia amin’ny rainy aman-dreniny aza.
- 12Ary aoka tsy hivoaka avy amin’ny fitoerana masina izy, na handoto ny fitoera-masin’Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo fanosoran’Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah.
- 13Ary aoka hampakatra izay vehivavy mbola virijina izy.
- 14Fa ny maty vady, na ny efa nisaorana, na ny voaloto tamin’ny fijangajangana, dia tsy azony hampakarina, fa virijina avy amin’ny fireneny ihany no hampakariny.
- 15Ary aoka tsy hanao izay hahaloto ny taranany eo amin’ny fireneny izy; fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
- 16Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 17Mitenena amin’i Arona hoe: Izay rehetra misy kilema amin’ny zanakao, amin’ny taranany hatramin’ny fara mandimby, dia aoka tsy hanakaiky fanatitra ny hanin’Andriamaniny;
- 18Fa izay rehetra misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanao izany na ny jamba, na ny mandringa, na ny petaka orona, na ny manana amby,
- 19na ny tapa-tongotra, na ny tapa-tanana,
- 20na ny vokoka, na ny sahozanina, na ny misy pentimpentina eo amin’ny masony, na ny hatenina, na ny tsingaohina, na ny torotoro vihy.
- 21Ny olona rehetra amin’ny zanak’i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatitra ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah; misy kilema izy ka tsy mahazo manakaiky hanatitra ny hanin’Andriamaniny.
- 22Ny hanin’Andriamaniny, izay avy amin’ny zavatra masina indrindra sy ny zavatra masina, dia azony hanina ihany;
- 23kanefa tsy mahazo miditra ao anatin’ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto ny fitoerako masina izy, fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
- 24Ary Mosesy dia nilaza izany tamin’i Arona sy ny zanany ary ny Zanak’Isiraely rehetra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.