Levitikosy
Toko 3
- 1[Ny fanati-pihavanana] Ary raha fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan’i Jehovah.
- 2Ary hametraka ny tànany amin’ny lohan’ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, hanopy ny rà manodidina amin’ny lafin’ny alitara.
- 3Dia hangalan’ny mpisorona ny fanati-pihavanana, ka hateriny ho fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
- 4sy ny voany roa mbamin’ny fonom-boany, izay eo amin’ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin’ny voany no fanaisony izany.
- 5Ary ireo zanak’i Arona dia handoro izany ho fofona eo ambonin’ny alitara miaraka amin’ny fanatitra dorana izay eo ambonin’ny kitay eo amin’ny afo; dia fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah izany.
- 6Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanati-pihavanana ho an’i Jehovah, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hateriny.
- 7Raha zanak’ondry no hateriny ho fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan’i Jehovah izy.
- 8Ary hametraka ny tànany amin’ny lohan’ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan’ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak’i Arona hanopy ny rà manodidina amin’ny lafin’ny alitara.
- 9Ary hangalan’ireo ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah, dia ny hofany manontolo (faranana hatreo amin’ny faran’ny taolan-damosina no fanaisony izany) sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
- 10ary ny voany roa mbamin’ny fonom-boany, izay eo amin’ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin’ny voany no fanaisony izany.
- 11Ary ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin’ny alitara; hanina avy amin’ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah izany.
- 12Ary raha osy no fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan’i Jehovah izy.
- 13Ary hametraka ny tànany amin’ny lohany izy, dia hamono azy eo anoloan’ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak’i Arona dia hanopy ny rà manodidina amin’ny lafin’ny alitara.
- 14Ary avy aminy no hanaterany ny fanatiny atao amin’ny afo ho an’i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
- 15ary ny voany roa mbamin’ny fonom-boany, izay eo amin’ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin’ny voany no fanaisony izany.
- 16Ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara; hanina avy amin’ny fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana izany; an’i Jehovah ny sabora rehetra.
- 17Izao no ho lalàna mandrakizay amin’ny taranakareo hatramin’ny fara mandimby eny amin’izay rehetra itoeranareo: tsy hihinana sabora na rà akory ianareo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.