Levitikosy
Toko 15
- 1[Ny lalàna ny amin’ny fitsihana sy ny fadim-bolana] Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
- 2Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Ny lehilahy rehetra izay marary mitsika dia haloto noho ny fitsihany.
- 3Ary izao no ho fahalotoany, raha marary mitsika izy: na mandeha ny fitsihany, na tsy mandeha, dia samy fahalotoana ihany izany.
- 4Maloto ny fandriana rehetra izay andrian’ny marary mitsika; ary maloto ny zavatra rehetra izay ipetrahany.
- 5Ary izay rehetra mikasika ny fandriany, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
- 6Ary izay mipetraka amin’ny zavatra izay efa nipetrahan’ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
- 7Ary izay mikasika ny tenan’ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
- 8Ary raha misy olona madio voaroran’ny marary mitsika, dia hanasa fitafiana izy sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro
- 9Ary haloto ny lasely rehetra izay itaingenan’ny marary mitsika.
- 10Ary izay rehetra mikasika izay zavatra teo ambaniny dia haloto mandra-paharivan’ny andro; ary izay mitondra izany zavatra izany dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
- 11Ary izay rehetra voakasiky ny marary mitsika, kanefa ilay marary tsy mbola nanasa ny tànany tamin’ny rano, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
- 12Ary hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika; ary hosasana amin’ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra.
- 13Ary raha sitrana amin’ny fitsihany ny marary mitsika, dia hiandry hafitoana ny amin’ny fanadiovana azy izy; ary hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano mandeha izy, dia hadio.
- 14Ary amin’ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy ka hankeo anatrehan’i Jehovah, eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana, dia hanolotra ireo ho amin’ny mpisorona izy.
- 15Dia haterin’ny mpisorona ireo, ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’i Jehovah ny mpisorona noho ny fitsihany.
- 16Ary raha miala amin’ny lehilahy ny azy, dia hanasa ny tenany rehetra amin’ny rano izy ary haloto mandra-paharivan’ny andro;
- 17ary hosasana amin’ny rano ny fitafiany rehetra sy ny hoditra rehetra, izay nilatsahan’ny azy; dia haloto mandra-paharivan’ny andro izany.
- 18Ny vehivavy izay andrian-dehilahy koa, dia samy handro amin’ny rano izy roroa ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
- 19Ary raha misy vehivavy mararin’ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan’ny andro.
- 20Ary ny zavatra rehetra izay andriany amin’ny andro fahalotoany dia haloto koa; ary ny zavatra rehetra izay ipetrahany dia haloto koa.
- 21Ary izay rehetra mikasika ny fandriany dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
- 22Ary izay rehetra mikasika ny zavatra izay efa nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
- 23Ary raha ao amin’ny fandriana izany, na ao amin’ny zavatra izay efa nipetrahany, raha nikasika izany izy, dia haloto mandra-paharivan’ny andro.
- 24Ary raha misy lehilahy mandry amin-dravehivavy, ary mankeo aminy ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy, ary izay rehetra andriany dia haloto koa.
- 25Ary raha misy vehivavy marary mitsi-drà ela, na dia tsy amin’ny andro fahalotoany amin’ny fadim-bolany aza, na raha misy mararin’ny fadim-bolana ka mandeha mihoatra noho ny fihaviny, dia haloto izy amin’ny andron’ny faharariany rehetra, tahaka ny amin’ny andro fahalotoany ihany.
- 26Ny fandriana rehetra andriany amin’ny andron’ny fahalotoany rehetra dia hataony tahaka ny fandriana nandriany tamin’ny andro fahalotoany; ary izay rehetra ipetrahany dia haloto koa tahaka ny fahalotoany amin’ny fadim-bolany.
- 27Ary izay rehetra mikasika izany zavatra izany dia haloto; ary hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano izy ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
- 28Fa raha sitrana amin’ny faharariany ravehivavy, dia hiandry hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia hadio izy.
- 29Ary amin’ny andro fahavalo dia haka domohina roa na zana-boromailala roa ho azy izy ka hitondra ireo ho eo amin’ny mpisorona, eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana.
- 30Dia haterin’ny mpisorona ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota ary ny anankiray hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho an-dravehivavy eo anatrehan’i Jehovah ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy.
- 31Dia hampisarahinareo amin’ny fahalotoany ny Zanak’Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany.
- 32Izany no lalàna ny amin’ny marary mitsika, sy ny amin’izay ialan’ny azy, ka mahaloto azy izany,
- 33ary ny amin’ny mararin’ny fadim-bolany, ary ny amin’ny marary mitsika, na lehilahy na vehivavy, ary ny amin’izay mandry amin’ny vehivavy maloto.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.