Levitikosy
Toko 7
- 1Ary izao no lalàna ny amin’ny fanati-panonerana: masina dia masina izany.
- 2Eo amin’izay famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanati-panonerana; ary ny rà dia hatopiny manodidina amin’ny lafin’ny alitara.
- 3Ary dia hateriny avokoa ny hofany sy ny saborany rehetra, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
- 4ary ny voany roa mbamin’ny fonom-boany, izay eo amin’ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hatao indray manala amin’ny voany no fanaisony izany.
- 5Ary hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara ireo ho fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah; dia fanati-panonerana izany.
- 6Ny lehilahy rehetra amin’ny mpisorona no mahazo mihinana izany; eo amin’izay fitoerana masina no hihinanany azy: masina dia masina izany.
- 7Ho tahaka ny fanatitra noho ny ota ny fanati-panonerana, ka lalàna iray no ho amin’izy roa: ho an’ny mpisorona izay manao fanavotana aminy izany.
- 8Ary ilay mpisorona manatitra ny fanatitra dorana izay aterin’ny olona dia hahazo ny hoditr’izany fanatitra dorana nateriny izany.
- 9Ary ny fanatitra hohanina rehetra izay voaendy am in’ny fanendasa-mofo sy izay rehetra atao amin’ny vilany fandrahoana, na amin’ny lapoely, dia ho an’ilay mpisorona manatitra azy.
- 10Fa ny fanatitra hohanina rehetra, izay voaharo diloilo, na ny maina, dia ho an’ny zanak’i Arona rehetra kosa, ka hiara-misalahy izy.
- 11Ary izao no lalàna ny amin’ny fanati-pihavanana izay haterina ho an’i Jehovah:
- 12Raha misy manatitra izany ho fanati-pisaorana, dia izao no hateriny ho fanampiny: mofo izay tsy misy masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo ary mofo atao amin’ny koba tsara toto voaendy sady voaharo diloilo.
- 13Ary miaraka amin’ny mofo tsy misy masirasira dia mofo misy masirasira kosa no hateriny ho fanampin’ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana.
- 14Ary hangalany iray avy ny isam-panatitra ho fanatitra asandratra ho an’i Jehovah; ho an’ilay mpisorona manopy ny ran’ny fanati-pihavanana izany.
- 15Ary ny henan’ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin’ny andro anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina.
- 16Fa raha fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin’ny andro anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson’iny no hihinanana izay ambiny.
- 17Fa ny sisa amin’ny henan’ny fanatitra dia hodorana amin’ny afo amin’ny andro fahatelo.
- 18Ary raha tahìny hihinanana amin’ny andro fahatelo ny henan’ny fanati-pihavanana, na dia kely aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an’izay manatitra azy izany, fa fahavetavetana; ary ny olona izay mihinana amin’izany dia ho meloka.
- 19Ary na ny hena izay mikasika zava-maloto aza dia tsy hohanina, fa hodorana amin’ny afo; ary ny amin’ny hena, dia izay madio rehetra no mahazo mihinana azy;
- 20fa ny olona izay misy fahalotoana, nefa mihinana hena avy amin’ny fanati-pihavanana, izay an’i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.
- 21Ary ny olona izay mikasika zava-maloto, na fahalotoan’olona, na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, ka mihinana amin’ny henan’ny fanati-pihavanana izay an’i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.
- 22Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 23Mitenana amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Aza mihinana sabora akory ianareo, na ny an’ny omby, na ny an’ny ondry, nany an’ny osy.
- 24Ary ny saboran’ny biby izay maty ho azy sy ny saboran’izay noviraviraim-biby dila azo atao amin’ny zavatra hafa ihany, fa aza mihinana azy ianareo.
- 25Fa izay rehetra mihinana saboran’ny biby fiompy, izay fanao fanatitra, atao amin’ny afo ho an’i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.
- 26Ary aza mihinana rà eny amin’izay rehetra itoeranareo, na ny an’ny vorona, na ny an’ny biby fiompy.
- 27Izay rehetra mihinana rà dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.
- 28Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 29Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Izay manatitra ny fanati-pihavanany ho an’i Jehovah dia hitondra ny fanatiny ho an’i Jehovah avy amin’ny fanati-pihavanany.
- 30Ny tànany ihany no hitondra ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah; ny saborany mbamin’ny tratrany no ho entiny, ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Jehovah.
- 31Ary hodoran’ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ny alitara ny saborany; fa ny tratrany kosa dia ho an’i Arona sy ireo zanany.
- 32Ary ny soroka ankavanana dia homenareo ny mpisorona ho fanatitra asandratra avy amin’ny fanati-pihavananareo.
- 33Ny anankiray amin’ny zanak’i Arona izay manatitra ny ran’ny fanati-pihavanana sy ny saborany no hanana ny soroka ankavanana ho anjarany.
- 34Fa ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandrata dia efa nalaiko tamin’ny Zanak’Isiraely avy amin’ny fanati-pihavanany, ary nomeko ho an’i Arona mpisorona sy ny zanany, ho anjarany mandrakizay avy amin’ny Zanak’Isiraely.
- 35Izany no anjaran’i Arona sy ny zanany avy amin’ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah, amin’ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an’i Jehovah,
- 36dia izay nandidian’i Jehovah homena azy avy amin’ny Zanak’Isiraely amin’ilay andro anosorana azy, ho anjarany mandrakizay amin’ny taranany hatramin’ny fara mandimby.
- 37Izany no lalàna ny amin’ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana sy ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana,
- 38izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy tao amin’ny tendrombohitra Sinay, tamin’ny andro izay nandidiany ny Zanak’Isiraely hanatitra ny fanatiny ho an’i Jehovah, tany an-efitr’i Sinay.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.