Levitikosy
Toko 26
- 1[Fitahiana sy ozona] AZA manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ny taminareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
- 2Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no Jehovah.
- 3Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany,
- 4dia hanome anareo ranonorana amin’ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha.
- 5Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana dia hihinana ianareo ka ho voky; ary handry fahizay eo amin’ny taninareo.
- 6Any homeko fiadanana eo amin’ny tany ianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin’ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo.
- 7Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo, ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy.
- 8Ary ny dimy aminareo hanenjika ny zato, ary ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; any ny fahavalonareo ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.
- 9Any hijery anareo Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo, ary hanonina ny fanekeko aminareo Aho.
- 10Any hihinana ny tranainy ianareo, sady hamoaka ny tranainy hasiana ny vao.
- 11Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan’ny fanahiko ianareo.
- 12Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary ianareo ho oloko.
- 13Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta, mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mijoro,
- 14Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,
- 15ary hamavoinareo ny didiko, na halan’ny fanahinareo ny fitsipiko, ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra, fa ivadihanareo ny fanekeko,
- 16Izaho kosa dia hanao izao aminareo hanisy fampitahorana aminareo Aho, dia areti-mahasahozanina sy tazo mahamay, izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
- 17Dia hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo ianareo; ary izay mankahala anareo no hanapaka anareo; dia handositra ianareo, na dia tsy misy manenjika aza.
- 18Ary raha mbola tsy mihaino Ahy ihany ianareo amin’izany rehetra izany, dia mbola hampijaly anareo impito Aho noho ny fahotanareo.
- 19Ary horavako ny reharehan’ny herinareo, ka hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina ny taninareo; ary ny herinareo ho lany foana;
- 20fa tsy hahavoka-javatra ny taninareo, any tsy hamoa ny hazo amin’ny tany.
- 21Ary raha mbola manohitra Ahy ihany ianareo, ka tsy mety mihaino Ahy, dia hasiako kapoka impito koa ianareo araka ny fahotanareo.
- 22Ary hampandehaniko eo aminareo ny bibi-dia, ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ka hahavitsy isa anareo; ary ny lalambenareo ho tonga efitra.
- 23Any raha tsy mandray ny anatro amin’izany ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
- 24Izaho dia Izaho kosa no hamely anareo ka hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
- 25Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin’ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona eo anatin’ny tanànanareo ianareo, dia hanatitra areti-mandringana aminareo Aho; ary hatolotra eo an-tànan’ny fahavalo ianareo.
- 26Raha tapahiko ny vary, izay tohan’ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan’ny vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany azy, dia hihinana ianareo, fa tsy ho voky.
- 27Ary raha mbola tsy mihaino Ahy amin’izany indray ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
- 28dia hamely anareo amin’ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
- 29Dia hihinana ny nofon’ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy ianareo.
- 30Ary horavako ny fitoerana avonareo, sy hokapaiko ny tsangan-kazonareo ho an’ny masoandro, ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin’ny fatin’ny sampinareo, ary ho halan’ny fanahiko ianareo.
- 31Ary horavako ny tanànanareo, ka hatao lao ny fitoera-masinareo, ary tsy hamboloiko ny hanitrareo ankasitrahana.
- 32Ary hataoko lao ny tany, ka ho talanjona amin’izany ny fahavalonareo izay monina eo.
- 33Ary ianareo dia haeliko any amin’ny jentilisa, any hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika anareo Aho; ary ny taninareo ho lao, any ny tanànanareo ho rava.
- 34Ary amin’izany ny tany dia hanonitra ny sabatany amin’ny andro rehetra izay hahafoanany, raha any amin’ny tanin’ny fahavalonareo ianareo; dia hitsahatra ny tany ka hanonitra ny sabatany;
- 35amin’ny andro hahafoanany rehetra no hitsaharany ho solon’izay tsy nitsaharany tamin’ny sabatanareo, raha mbola nonina teo ianareo.
- 36Ary ny amin’ny sisa aminareo any amin’ny tanin’ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon’ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.
- 37Ary ho lavo mifanindry toy ny mandosi-tsabatra izy, na dia tsy misy manenjika aza; ka dia tsy hahajanona eo anoloan’ny fahavalonareo ianareo.
- 38Any dia ho lany ringana any amin’ny jentilisa ianareo, any ho lanin’ny tanin’ny fahavalonareo ianareo.
- 39Ary ny sisa eo aminareo dia ho levona any amin’ny tanin’ny fahavalonareo noho ny helony sy ny heloky ny razany koa.
- 40Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy, dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko tamin’ny nanoherany Ahy,
- 41ary Izaho kosa namely azy ka nitondra azy ho any amin’ny tanin’ny fahavalony, raha hietry amin’izany ny fony tsy voafora, any hanonitra ny amin’ny helony izy,
- 42dia hotsarovako ny fanekeko tamin’i Jakoba sy ny fanekeko tamin’Isaka ary ny fanekeko tamin’i Abrahama; ary hotsarovako koa ny tany.
- 43Ary ny tany hilaozan’ny olona ka hanonitra ny sabatany, raha mitoetra foana tsy misy olona izy; ary ny olona hanonitra ny amin’ny helony, satria nandà ny fitsipiko Izy, ary halan’ny fanahiny ny didiko.
- 44Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin’ny tanin’ny fahavalony izy, dia tsy holaviko ary tsy ho halako, fandrao lany ringana izy rehetra, ka rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.
- 45Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin’ny razany, izay nentiko nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta teo Imason’ny jentilisa, mba ho Andriamaniny Aho: Izaho no Jehovah.
- 46lreo no didy sy fitsipika ary lalàna izay nataon’i Jehovah ho aminy sy amin’ny Zanak Isiraely, teo an-tendrombohitra Sinay ka nampilazainy an’i Mosesy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.