Levitikosy
Toko 18
- 1[Lalàna ny amin’ny hanamasinana ny fanambadiana] Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 2Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo:
- 3Aza manao araka ny fanaon’ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon’ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany.
- 4Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
- 5Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin’izany izy: Izaho no Jehovah.
- 6Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy ianareo: Izaho. no Jehovah.
- 7Aza mandry amin’izay nandrian’ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy.
- 8Aza mandry amin’ny renikelinao; fa nandrian’ny rainao izy.
- 9Aza mandry amin’ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy.
- 10Aza mandry amin’ny zanakavavin’ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin’ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian’izy roa.
- 11Aza mandry amin’ny zanakavavin’ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy.
- 12Aza mandry amin’ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy.
- 13Aza mandry amin’ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy.
- 14Aza mandry amin’izay nandrian’ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin’ny rahalahin-drainao izy.
- 15Aza mandry amin’ny vinantovavinao; fa vadin’ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy.
- 16Aza mandry amin’ny vadin-drahalahinao; fa nandrian’ny rahalahinao izy.
- 17Aza mandry amin’ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin’ny zananilahy, na ny zanakavavin’ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany.
- 18Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin’ny rahavaviny izay mbola velona.
- 19Ary aza mila vehivavy mararin’ny fadim-bolany handry aminy.
- 20Ary aza mandry amin’ny vadin’ny namanao, handoto ny tenanao aminy.
- 21Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an’i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran’Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
- 22Aza mandry amin’ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.
- 23Ary aza mandry amin’ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian’ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.
- 24Aza mandoto ny tenanareo amin’izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan’ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.
- 25Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan’ny tany ny mponina eo.
- 26Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo
- 27(fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon’ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany),
- 28mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo.
- 29Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.
- 30Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon’ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin’izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.