Lioka
Toko 7
- 1Ary rehefa vitan’i Jesosy teo anatrehan’ny olona izany toriteniny rehetra izany, dia nankany Kapernaomy Izy.
- 2Ary ny mpanompon’ny kapiteny anankiray, izay malalany, dia narary efa ho faty.
- 3Koa raha nahare ny amin’i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon’ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony.
- 4Ary rehefa tonga teo amin’i Jesosy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Miendrika ny hanaovanao izany izy,
- 5satria tia ny firenentsika izy, sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika.
- 6Ary Jesosy nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin’ny trano Izy, ilay kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho.
- 7Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.
- 8Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho amin’ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin’ny anankiray koa Avia, dia avy izy, ary amin’ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy.
- 9Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin’ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’ny Isiraely aza.
- 10Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia hitany fa sitrana ilay mpanompo.
- 11Ary taoriana kelin’izany* Jesosy dia nankany an-tanana atao hoe Naina; ary naniraka Azy ny mpianany sy ny vahoaka betsaka.[*Na: (nony ampitson’iny)]
- 12Ary rehefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, dia, indro, nisy fatin’ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan’ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy.
- 13Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany.
- 14Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona, dia nijanona izay nilanja. Ary hoy Jesosy: zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.
- 15Dia niarina ny maty sady niteny, ary dia natolony tamin-dreniny.
- 16Ary raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an’Andriamanitra hoe: Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny olony.
- 17Dia niely teny Jodia rehetra sy teny amin’ny tany manodidina rehetra ny lazan’i Jesosy ny amin’izany zavatra izany.
- 18Ary ny mpianatr’i Jaona nanambara izany rehetra izany taminy.
- 19Ary Jaona niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy, dia naniraka azy hankany amin’ny Tompo hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
- 20Ary nony tonga tany aminy ireo lehilahy ireo, dia nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa naniraka anay hankatỳ aminao hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
- 21Ary tamin’izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin’ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro.
- 22Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin’i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
- 23Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.
- 24Ary rehefa lasa ny irak’i Jaona, dia nilaza an’i Jaona tamin’ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an-efitra? Volotara nohozongozonin’ny rivotra va?
- 25Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba soa* va? Indro, ny mitafy lamba soa sy mihinana zava-py dia ao an-tranon’ny mpanjaka.[*Gr. malemy]
- 26Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.
- 27Fa izy ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1).
- 28Lazaiko aminareo: Amin’izay nateraky ny vehivavy tsy misy lehibe noho Jaona; nefa ny kely indrindra amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia lehibe noho izy.
- 29Ary ny vahoaka rehetra sy ny mpamory hetra raha nandre, dia nanamarina an’Andriamanitra, satria natao batisa tamin’ny batisan’i Jaona izy.
- 30Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa nandà ny fikasan’Andriamanitra, satria tsy mba nanatona hataon’i Jaona batisa izy.
- 31Tahaka ny inona ary no hanoharako ny olona amin’ity taranaka ity? tahaka ny inona moa izy?
- 32Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy nitomany ianareo.
- 33Fa tonga Jaona Mpanao-batisa tsy nihinan-kanina na nisotro divay, ka hoy ianareo: Manana demonia izy.
- 34Tonga ny Zanak’olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota.
- 35Fa ny fahendrena dia hamarinin’ny zanany rehetra.
- 36Ary ny Fariseo anankiray nanasa an’i Jesosy hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao an-tranon’ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana.
- 37Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon’ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy;
- 38ary nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin’ny menaka manitra,
- 39Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.
- 40Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao ary, Mpampianatra รด.
- 41Nisy roa lahy nananan’ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo.
- 42Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin’ireo no ho tia azy indrindra?
- 43Simona namaly ka nanao hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao.
- 44Ary Jesosy nitodika nijery an-dravehivavy ka nanao tamin’i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin’ny ranomasony, dia namaoka azy tamin’ny volon-dohany.
- 45Tsy mba nanoroka Ahy akory ianao; fa izy, hatr’izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro.
- 46Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro.
- 47Ary amin’izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin’ny kely dia kely fitiavana.
- 48Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao.
- 49Ary izay niara-nipetraka nihinana teo aminy dia niresaka hoe: Iza moa Ity no mba mamela heloka?
- 50Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.