Lioka
Toko 11
- 1Ary Jesosy nivavaka tao amin’ny fitoerana iray, ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran’i Jaona ny mpianany.
- 2Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, dia ataovy hoe: Ray ô* hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao**. [* Na: Rainay Izay any an-danitra] [** Ampio hoe: (Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra)]
- 3Omeo anay isan’andro izay hanina sahaza ho anay.
- 4Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy. *Ampio hoe: [fa manafaha anay amin’ny ratsy].
- 5Ary hoy Jesosy taminy: Iza moa aminareo no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho;
- 6fa ny sakaizako nandeha tamin’ny nalehany, dia tonga atsy amiko, ka tsy misy izay hafahako azy;
- 7ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako mandry eto am-pandriana eto amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho?
- 8Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra* ka hanome azy izay ilainy.[*Gr.tsi-fitandroany henatra]
- 9Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.
- 10Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.
- 11Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan’ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon’ny hazandrano?
- 12ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka?
- 13Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?
- 14Ary Jesosy namoaka demonia moana. Ary rehefa nivoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ka dia gaga ny vahoaka.
- 15Fa hoy ny sasany; Belzeboba, lohan’ny demonia, no amoahany ny demonia.
- 16Fa ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana taminy avy any an-danitra.
- 17Fa Izy nahalala ny heviny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary ho rava ny ankohonana izay miady an-trano.
- 18Ary raha Satana koa aza no miady an-trano, ahoana no haharetan’ny fanjakany? Fa hoy ianareo: Belzeboba no amoahako ny demonia.
- 19Fa raha Izaho mamoaka demonia amin’ny herin’i Belzeboba, dia amin’ny herin’iza kosa no amoahan’ny zanakareo azy? koa amin’izany dia ho mpitsara anareo ireo.
- 20Fa raha ny rantsan-tànan’Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.
- 21Raha ny mahery mivonona amin’ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany.
- 22Fa raha avy kosa izay mahery noho izy ka mandresy azy, dia alainy ny fiadiany rehetra izay nitokiany, ary izay azony ho babo dia zarainy.
- 23Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
- 24Raha mivoaka amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.
- 25Ary nony tonga izy, dia hitany fa voafafa sy voavoatra ny trano.
- 26Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran’izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany.
- 27Ary raha nilaza izany Jesosy, dia nisy vehivavy anankiray teo amin’ny vahoaka niantso ka nanao taminy hoe: Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao.
- 28Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany.
- 29Ary raha mbola niangona ny vahoaka betsaka, dia nilaza hoe Izy: Ity taranaka ity dia taranaka ratsy. Mitady famantarana izy; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona;
- 30Fa tahaka an’i Jona izay famantarana tamin’ny Ninivita, dia ho toy izany koa ny Zanak’olona amin’ity taranaka ity.
- 31Ny mpanjakavavy avy tany atsimo dia hiara-mitsangana amin’ny lehilahy amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin’ny faran’ny tany izy hihaino ny fahendren’i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.
- 32Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, fa izy nibebaka tamin’ny nitorian’i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.
- 33Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan’izay miditra ny mazava.
- 34Ny masonao no jiron’ny tena; koa raha tsara ny masonao, dia mazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy izy, dia maizina koa ny tenanao.
- 35Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao.
- 36Ary amin’izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao.
- 37Ary raha mbola niteny Jesosy, dia nisy Fariseo nampiantrano Azy hisakafo ao aminy; dia niditra Izy ka nipetraka nihinana.
- 38Fa gaga ilay Fariseo, raha nahita fa tsy nisasa Izy vao nihinana.
- 39Fa hoy ny Tompo taminy: Ankehitriny ianareo Fariseo dia manadio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo kosa dia feno rombaka sy faharatsiana.
- 40Ry adala! Tsy izay nanao ny vohony va no nanao ny atiny koa?
- 41Fa ny zavatra eo anatiny no aoka homenareo ho fiantrana*, dia, indro, madio ho anareo ny zavatra rehetra.[*Na: Manaova fiantrana araka izay azonareo atao]
- 42Fa lozanareo, Fariseo! fa mandoa ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an’Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
- 43Lozanareo, Fariseo! fa tia ny fipetrahana aloha ao amin’ny synagoga sy ny fiarahabana any an-tsena ianareo.
- 44Lozanareo, fa ianareo dia tahaka ny fasana tsy hita, ka tsy fantatry ny olona izay manitsaka azy.
- 45Ary ny anankiray tamin’ny mpahay lalàna namaly ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, raha miteny izany Hianao, dia manala baraka anay koa.
- 46Fa hoy Jesosy: Lozanareo, mpahay lalàna koa! fa mampitondra ny olona entana sarotra entina ianareo, nefa tsy manendry izany entana izany akory ianareo, na dia amin’ny rantsan-tananareo iray aza.
- 47Lozanareo! fa manao ny rarivatom-pasan’ny mpaminany ianareo, nefa ny razanareo ihany no namono azy.
- 48Dia vavolombelona ianareo ka manaiky ny asan’ny razanareo; fa izy no namono azy, ary ianareo kosa manao ny rarivatom-pasany.
- 49Koa izany no nanambaran’ny fahendren’Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apostoly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny, ary ny sasany henjehiny,
- 50mba hadinina amin’ity taranaka ity ny ran’ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao,
- 51dia hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan’ny alitara sy ny tempoly. Eny, lazaiko aminareo marina tokoa fa hadinina amin’ity taranaka ity izany.
- 52Lozanareo, mpahay lalàna! satria nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana; ianareo tsy niditra, ary izay te-hiditra dia nosakananareo.
- 53Ary raha niala teo Izy, dia noteren*’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo fatratra sady nadinadininy zavatra maro.[*Na: tezitra mafy taminy]
- 54Dia nihendry Azy izy ireo hamandrihany Azy tamin’ny teny naloaky ny vavany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.