Lioka
Toko 13
- 1Ary tamin’izany andro izany nisy ny sasany teo izay nanambara tamin’i Jesosy ny nanjo ny Galiliana, izay naharoharon’i Pilato tamin’ny fanatiny ny ràny.
- 2Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra, satria nozoin’izany zavatra izany izy?
- 3Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.
- 4Ary ireny valo ambin’ny folo ireny, izay nianjeran’ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?
- 5Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.
- 6Ary nanao ity fanoharana ity Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo an-tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa tsy nahita.
- 7Ka dia hoy izy tamin’ny mpamboatra ny tanim-boaloboka; Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin’ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany?
- 8Fa ny mpamboatra namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin’ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika;
- 9angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany.
- 10Ary nampianatra tao amin’ny synagoga anankiray Jesosy tamin’ny Sabata.
- 11Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin’ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory.
- 12Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin’ny rofinao ianao.
- 13Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin’izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’Andriamanitra.
- 14Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin’ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin’ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin’izany, fa tsy amin’ny andro Sabata.
- 15Fa namaly azy ny Tompo ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin’ny fihinanam-bilona amin’ny Sabata va ianareo ka mitondra azy hisotro rano?
- 16Koa ity vehivavy zanak’i Abrahama ity, izay efa nafatotr’i Satana izao valo ambin’ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin’izany fatorana izany amin’ny andro Sabata va?
- 17Ary raha nilaza izany Izy, dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.
- 18Dia hoy Jesosy: Tahaka ny inona ny fanjakan’Andriamanitra? ary inona no hanoharako azy?
- 19Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain’olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga haro; ary ny voro-manidina nitoetra tao amin’ny rantsany.
- 20Ary hoy koa Jesosy: Inona no hanoharako ny fanjakan’Andriamanitra?
- 21Tahaka ny masirasira izy, izay nalain’ny vehivavy anankiray ka nataony* tao amin’ny koba intelon’ny famarana, mandra-pahazon’ny masirasira azy rehetra.[*Gr. nafeniny]
- 22Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema.
- 23Dia hoy ny anankiray taminy; Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin’ny olona:
- 24Miseseha hiditra amin’ny varavarana etỳ ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.
- 25Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary ianareo mijanona eo ala-trano mandondòna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo;
- 26ary amin’izay ianareo dia hanao hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny an-dalambenay Hianao.
- 27Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; mialà amiko, ianareo rehetra mpanao meloka.
- 28Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify, raha mahita an’i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany.
- 29Ary ho tonga avy any atsinanana sy avy any andrefana ary avy any avaratra sy avy any atsimo ireny ka hipetraka hihinana eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
- 30Ary, indro, misy ny aoriana ho aloha, ary misy ny aloha ho aoriana.
- 31Tamin’izany ora izany indrindra dia nisy Fariseo sasany nankeo amin’i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mandehana Hianao, ka mialà eto; fa ta-hamono Anao Heroda.
- 32Fa hoy Izy taminy: Mandehana, lazao amin’izany amboahaolo* izany hoe: Indro, mamoaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary raha afaka ampitso dia hotanterahina ny amiko.[* volpa]
- 33Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso sy raha afaka ampitso; fa ny mpaminany tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema.
- 34Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany, fa tsy nety ianareo!
- 35Indro, avela ho anareo ny tranonareo. ary lazaiko aminareo: Tsy hahita Ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah (Sal. 118. 26).
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.