Lioka
Toko 21
- 1Ary Jesosy nanopy ny masony nahita ny mpanankarena mandatsa-drakitra tao amin’ny fandatsahan-drakitra;
- 2ary nahita mpitondratena malahelo anankiray koa mandatsaka farantsakely roa* teo Izy.[* Gr. lepta roa, dia farantsakely varahina izany = kodranta iray, tokony ho variroaventy]
- 3Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra.
- 4Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ny haben’ny fananany no nandatsahany tao amin’ny rakitra; fa izy kosa tamin’ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.
- 5Ary nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanatitra izy; fa hoy Jesosy:
- 6Ny amin’ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
- 7Ary izy ireo nanontany Azy hoe: Mpampianatra รด, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany?
- 8Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin’ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy.
- 9Ary raha handre ady sy tabataba ianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin’izay ny farany.
- 10Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.
- 11Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.
- 12Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin’ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.
- 13Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany.
- 14Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo;
- 15fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon’ny fahavalonareo rehetra valiana na resena.
- 16Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny.
- 17Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.
- 18Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin’ny lohanareo aza.
- 19Amin’ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.
- 20Ary raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy.
- 21Ary izay any Jodia amin’izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.
- 22Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.
- 23Fa lozan’ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany! satria hisy fahoriana lehibe eo amin’ny tany ary fahatezerana amin’ity firenena ity.
- 24Dia ho ringana amin’ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon’ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin’ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ny jentilisa.
- 25Ary hisy famantarana eo amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ny tany dia hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany,
- 26ka ho reraka ny fon*’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany; fa ny herin’ny lanitra dia hohozongozonina.[* Na: ka hisy ho faty aza]
- 27Ary amin’izany andro izany dia hahita ny Zanak’olona avy eo amin’ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.
- 28Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.
- 29Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra.
- 30Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona.
- 31Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.
- 32Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany.
- 33Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
- 34Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.
- 35Fa hihatra amin’izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ny tany rehetra izany.
- 36Fa miambena* ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.
- 37Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva.
- 38Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan’ny tempoly hihaino Azy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.