Lioka
Toko 18
- 1Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka,
- 2dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an’Andriamanitra, na mena-maso olona.
- 3Ary nisy mpitondratena tao amin’izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin’ilay manana ady amiko.
- 4Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona,
- 5mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.
- 6Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain’ilay mpitsara tsy marina.
- 7Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary moa hitaredretra va Izy?
- 8Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ny tany va Izy?
- 9Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin’ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa;
- 10Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan’ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.
- 11Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
- 12Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin’izay azoko rehetra aho.
- 13Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.
- 14Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.
- 15Ary nisy nitondra zazakely koa ho eo amin’i Jesosy mba hotendreny; fa raha vao nahita izany ny mpianatra, dia nandrara azy.
- 16Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.
- 17Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no ny handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
- 18Ary nisy mpanapaka anankiray nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
- 19Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
- 20Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, Aza mamono olona, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12-16).
- 21Ary hoy kosa izy: Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
- 22Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an’ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.
- 23Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo loatra; fa nanan-karena dia nanan-karena izy.
- 24Ary Jesosy, raha nijery azy, dia nanao hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!
- 25Fa ho moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!
- 26Ary izay nandre dia nanao hoe: Iza indray moa no azo hovonjena?
- 27Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain’ny olona dia hain’Andriamanitra.
- 28Dia hoy Petera: Indro, izahay efa nahafoy izay nety ho anay ka nanaraka Anao.
- 29Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, noho ny fanjakan’Andriamanitra,
- 30izay tsy handray be lavitra amin’izao andro ankehitriny izao, ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
- 31Ary Jesosy naka ny roa ambin’ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, dia ho tanteraka ny zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany ny amin’ny Zanak’olona.
- 32Fa hatolotra ho amin’ny jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana sy hisetrasetrany sy hororany
- 33ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin’ny andro fahatelo dia hitsangana Izy.
- 34Nefa tsy nisy azony akory izany teny izany, fa nafenina taminy izy ka dia tsy fantany izay nolazainy.
- 35Ary raha Jesosy nanakaiky an’i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
- 36Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany?
- 37Ary hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo.
- 38Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.
- 39Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.
- 40Ary Jesosy nijanona, dia nasainy ho entina eo aminy ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy, dia nanontany azy Jesosy
- 41ka nanao hoe: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratina ny masoko.
- 42Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
- 43Ary niaraka tamin’izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an’i Jesosy izy sady nankalaza an’Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera an’Andriamanitra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.