Lioka
Toko 22
- 1Ary efa mby akaiky ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay andro atao hoe Paska.
- 2Ary ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nitady izay hamonoany an’i Jesosy; nefa natahotra ny olona izy.
- 3Fa Satana niditra tao anatin’i Jodasy, ilay atao hoe Iskariota, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy;
- 4dia nankao amin’ny lohan’ny mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina izy ka niresaka taminy ny amin’izay hamadihany an’i Jesosy amin’ireo.
- 5Dia faly ireo ka nanaiky hanome vola azy.
- 6Ary nanaiky izy ka nitady izay andro hahazoany hamadika Azy amin’ireo amin’ny tsy misy olona.
- 7Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska.
- 8Ary Jesosy naniraka an’i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika.
- 9Ary hoy ireo taminy: Aiza no tianao hanamboaranay azy?
- 10Dia hoy Izy taminy: Indro, raha miditra ao an-tanàna ianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; manaraha azy ao amin’ny trano izay hidirany.
- 11Dia lazao amin’ny tompon-trano hoe: Izao no lazain’ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin’ny mpianatro?
- 12Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana, izay efa nasiana fipetrahana; any no amboary.
- 13Dia nandeha izy ka nahita araka izay efa nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.
- 14Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ny Apostoly.
- 15Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.
- 16Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak’izany ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
- 17Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo;
- 18fa lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan’ny fanjakan’Andriamanitra.
- 19Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe : Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.
- 20Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.
- 21Fa, indro, ny tànan’izay mamadika Ahy dia eto amiko eto ambonin’ny latabatra.
- 22Fa ny Zanak’olona mandeha tokoa, araka izay nanendrena; nefa lozan’izay lehilahy hahazoana manolotra Azy!
- 23Ary ireo nifanontany izay anankiray eo aminy hahefa izany.
- 24Ary nisy koa fifandirana tao aminy ny amin’izay anankiray aminy hatao lehibe.
- 25Ary hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan’ny jentilisa mampanompo azy ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa.
- 26Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo.
- 27Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo.
- 28Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ny fakam-panahy nihatra tamiko;
- 29koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ny Raiko ho Ahy,
- 30mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro amin’ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’isiraely roa ambin’ny folo,
- 31Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary.
- 32Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.
- 33Ary hoy izy taminy: Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho amin’ny fahafatesana aza.
- 34Fa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.
- 35Ary hoy koa Izy taminy: Raha nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa ianareo, moa nisy zavatra nahory anareo va? Dia hoy ireo: Tsy nisy.
- 36Fa hoy Izy taminy: Fa amin’izao kosa, izay manana kitapom-bola dia aoka hitondra azy; ary toy izany koa ny kitapom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra kosa, dia aoka hivarotra ny lambany izy ka hividy.
- 37Fa lazaiko aminareo: Tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao hoe: Ary Izy natao ho isan’ny mpanota (Isa. 53. 12); fa efa ho tanteraka ny amiko.
- 38Ary hoy ireo: Tompoko, indreto sabatra roa. Dia hoy Jesosy taminy: Aoka izay.
- 39Ary nivoaka Jesosy, koa araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny mpianatra koa nanaraka Azy.
- 40Ary raha vao tonga tao amin’izany tany izany, dia hoy Izy taminy: Mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy.
- 41Ary Izy nihataka taminy tokony ho indray mitora-bato, dia nandohalika ka nivavaka hoe:
- 42Raiko รด, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
- 43Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.
- 44Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin’ny tany.
- 45Ary nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin’ny mpianatra ka nahita azy matorin’alahelo.
- 46Dia hoy Izy taminy: Nahoana no dia matory ianareo? Mitsangàna, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy.
- 47Ary raha mbola niteny Jesosy, indreo, tamy ny vahoaka, ary ilay atao hoe Jodasy, isan’ny roa ambin’ny folo lahy, dia nandeha teo alohany ka nanatona an’i Jesosy hanoroka Azy.
- 48Fa hoy Jesosy taminy: Ry Jodasy, fanorohana va no amadihanao ny Zanak’olona?
- 49Ary izay teo aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia nanao hoe: Tompoko, hamely amin’ny sabatra va izahay?
- 50Ary ny anankiray teo aminy dia nikapa ny mpanompon’ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny ankavanana.
- 51Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Aoka ihany na dia izao aza. Dia nanendry ny sofiny Izy ka nahasitrana azy.
- 52Ary hoy Jesosy tamin’ny lohan’ny mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly ary ny loholona izay tonga hisambotra Azy: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
- 53Raha teo aminareo isan’andro teo an-kianjan’ny tempoly Aho, dia tsy naninji-tanana tamiko ianareo; fa izao no fotoanareo sy herin’ny maizina.
- 54Ary izy ireo nisambotra an’i Jesosy, dia nitondra Azy ho ao an-tranon’ny mpisoronabe. Ary Petera nanaraka teny lavidavitra eny.
- 55Ary raha namelona afo teo an-kianja ireo ka nipetraka, dia mba nipetraka teo aminy koa Petera.
- 56Ary ny ankizivavy anankiray, nony nahita azy nipetraka teo anilan’ny afo, dia nandinika azy ka nanao hoe: Ity koa nomba Azy.
- 57Fa izy nandà ka nanao hoe: Ravehivavy, tsy fantatro Izy.
- 58Ary vetivety foana rehefa afaka izany, dia nisy olona hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa mba naman’ireny. Fa Petera nanao hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho.
- 59Ary rehefa afaka tokony ho ora iray, dia nisy anankiray koa nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio nomba Azy marina tokoa, fa Galiliana izy.
- 60Fa hoy Petera: Ralehilahy, tsy fantatro izay lazainao. Ary niaraka tamin’izay, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno.
- 61Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an’i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin’ny Tompo nolazainy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao.
- 62Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra.
- 63Ary ny lehilahy izay nitana an’i Jesosy dia nanao Azy ho fihomehezana sady nikapoka Azy.
- 64Ary rehefa nanampi-maso Azy izy, dia nanontany Azy hoe: Maminania; iza moa no namely Anao?
- 65Ary niteny ratsy izy nilaza zavatra maro hafa koa nanaratsiany Azy.
- 66Ary raha vao nazava ny andro, niangona ny loholona, dia ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ka nitondra an’i Jesosy ho eo amin’ny Synedriona, dia nanao hoe:
- 67Raha Hianao no Kristy, dia lazao aminay. Fa hoy Izy taminy: Na dia hilaza aminareo aza Aho, dia tsy hino ianareo.
- 68Ary na dia hanontany aza Aho, dia tsy hamaly akory ianareo.
- 69Fa hatramin’izao ny Zanak’olona dia hipetraka eo an-tanana ankavanan’ny herin’Andriamanitra.
- 70Dia hoy izy rehetra: Zanak’Andriamanitra va ary Hianao? Ary hoy Izy taminy: Voalazanareo fa Izaho no Izy.
- 71Ary hoy ireo: Ka inona indray no ilantsika vavolombelona? fa ny tenantsika no efa nandre tamin’ny vavany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.