Lioka
Toko 24
- 1Fa nony maraina koa tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia nankany amin’ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny.
- 2Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin’ny fasana.
- 3Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin’i Jesosy Tompo.
- 4Ary raha mbola very hevitra tamin’izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra.
- 5Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona?
- 6Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe:
- 7Ny Zanak’olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan’ny mpanota ka hohomboana amin’ny hazo fijaliana ary hitsangana amin’ny andro fahatelo.
- 8Dia nahatsiaro ny teniny izy.
- 9Ary niverina niala tamin’ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany rehetra.
- 10Teo Maria Magdalena sy Johana ary Maria, renin’i Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay naman’ireo koa dia nilaza izany tamin’ny Apostoly.
- 11Nefa nataony ho arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany.
- 12Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin’ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo.
- 13Ary, indreo, nisy roa lahy tamin’ireny nandeha tamin’izany andro izany hankany amin’ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stadio* raha any Jerosalema.[*Na: Roa ambin’ny folo kilometatra]
- 14Dia niresaka ny amin’izay zavatra rehetra nanjo izy.
- 15Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy.
- 16Nefa ny mason’ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy.
- 17Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.
- 18Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala* izay zavatra tonga tao tamin’izao andro izao?[* Na: Vahiny mitoetra irery angaha Hianao any Jerosalema ka tsy mahalala]
- 19Fa hoy Izy taminy: Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin’i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ny asa sy ny teny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
- 20dia ny amin’ny nanoloran’ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin’ny hazo fijaliana.
- 21Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr’izay nahatongavan’izany.
- 22Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahahavery hevitra anay, fa tany amin’ny fasana maraina koa izy,
- 23ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy.
- 24Dia nandeha ny sasany izay nomba anay ka nankany amin’ny fasana, ary nahita araka izay nolazain’ny vehivavy; nefa Izy tsy hitany.
- 25Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain’ny mpaminany.
- 26Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin’ny voninahiny?
- 27Dia nanomboka hatramin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra.
- 28Ary efa mby teo akaikin’ny vohitra izay efa halehan’izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao handeha lavitra kokoa.
- 29Fa ireo nanery Azy ka nanao hoe: Mitoera atỳ aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy.
- 30Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy.
- 31Dia nahiratra ny mason’ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany.
- 32Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika?
- 33Dia niainga tamin’izany ora izany izy roa lahy ka niverina nankany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin’ny folo lahy mbamin’izay nomba azy tafangona teo
- 34sady nilaza hoe: Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin’i Simona.
- 35Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dalàna sy ny nahafantarany Azy tamin’ny namakiana ny mofo.
- 36Ary raha mbola nilaza izany izy, Jesosy dia nitsangana teo afovoany ka nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
- 37Dia taitra sady raiki-tahotra izy, satria nataony fa nahita matoatoa izy.
- 38Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra ianareo? ary nahoana no miahanahana ny fonareo?
- 39Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.
- 40Ary rehefa niteny izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny tongony.
- 41Ary raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona, dia hoy Jesosy taminy: Manan-kanina va ianareo?
- 42Ary dia nomeny tapaky ny hazandrano voatono* Izy.[* Ampio hoe: sy tantely]
- 43Ary Izy nandray, dia nihinana teo anatrehany.
- 44Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.
- 45Dia nanokatra ny sain’ireo Izy hahalala ny Soratra Masina.
- 46Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo;
- 47ary mba hotorina amin’ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema.
- 48Ary ianareo no vavolombelon’izany.
- 49Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ny hery avy any amin’ny avo.
- 50Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy.
- 51Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra.
- 52Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra.
- 53Ary teo an-kianjan’ny tempoly isan’andro izy nankalaza an’Andriamanitra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.