Lioka
Toko 16
- 1Ary hoy koa Jesosy tamin’ny mpianatra: Nisy olona manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia nampangain’olona taminy fa mandany ny fananany.
- 2Ary nampaka azy izy ka nanao taminy hoe: Ahoana izao fandrenesako anao izao? Mamoaha ny amin’ny fitandremanao ny fananako; fa tsy mahazo mitandrina ny fananako intsony ianao.
- 3Ary ilay mpitandrina ny fananana nanao anakampo hoe: Inona ange no hataoko, fa esorin’ny tompoko amin’ny fitandremana ny fananany aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko; ny mangataka mahamenatra ahy.
- 4Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaisotra amin’ny fitandremana ny fananana aho.
- 5Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony izy hankao aminy ka nanao tamin’ny voalohany hoe: Hoatrinona no trosan’ny tompoko aminao?
- 6Ary hoy io: Diloilo injaton’ny famarana*. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ary mipetraha faingana, ka dimam-polo no soraty. [*Gr. bata]
- 7Dia hoy izy tamin’ny anankiray koa: Hoatrinona kosa no trosa aminao? Ary hoy izy: Vary injaton’ny famarana*. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao ka valo-polo no soraty.[*Gr. kora]
- 8Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak’izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin’ny karazany noho ny zanaky ny mazava.
- 9Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin’ireo ho any amin’ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany.
- 10Ary izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be; ary izay tsy marina amin’ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ny be.
- 11Koa raha tsy mahatoky amin’ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin’ny tena harena?
- 12Ary raha tsy mahatoky amin’izay an’olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo?
- 13Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamôna ianareo.
- 14Ary ny Fariseo, izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izay, dia naneso an’i Jesosy.
- 15Ary hoy Jesosy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan’ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin’ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra.
- 16Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin’i Jaona; ary hatramin’izany no efa nitoriana ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo.
- 17Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan’ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan’ny tendron-tsoratra iray monja aza amin’ny lalàna.
- 18Izay rehetra misao-bady ka mampakatra ny hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy voasaotra dia mijangajanga koa.
- 19Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan’andro tamin’ny fahafinaretana.
- 20Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan’ny vavahadiny;
- 21ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin’ny latabatr’ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy* ka nilelaka ny feriny.[*Na: ary ny alika koa dia avy]
- 22Ary maty ilay malahelo, dia nentin’ny anjely ho any an-tratran’i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina;
- 23ary raha nijaly tao amin’ny fiainan-tsi-hita* izy ka niandrandra, dia nahita an’i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy]
- 24Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron’ny rantsan-tanany amin’ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin’ity lelafo ity.
- 25Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin’ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay . ary ianao kosa no fadiranovana.
- 26Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala etỳ, ary ny ho afa-mita hanketỳ aminay izay eny.
- 27Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin’ny tranon’ny raiko
- 28(fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tongay amin’ity fijaliana ity koa izy.
- 29Fa hoy Abrahama taminy: Manana an’i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy.
- 30Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin’ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy.
- 31Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an’i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin’ny maty aza.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.