Lioka
Toko 19
- 1Ary Jesosy niditra ka nandeha namaky an’i Jeriko.
- 2Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Zakaiosy, izay lehiben’ny mpamory hetra sady nanan-karena.
- 3Ary nitady hahita izay Jesosy izy, kanefa ny afaka noho ny habetsahan’ny olona nifanety, satria fohy izy.
- 4Dia nihazakazaka nialoha izy ka nananika aviavy hizaha an’i Jesosy; fa efa handalo tamin’izany lalana izany Izy.
- 5Ary rehefa tonga teo Jesosy, dia niandrandra ka nanao taminy hoe: Ry Zakaiosy, midina faingana; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio.
- 6Dia nidina faingana izy ka nampiantrano Azy sady faly.
- 7Ary raha nahita izany izy rehetra, dia nimonomonona ka nanao hoe: Lasa nandeha hiantrano amin’izay lehilahy mpanota Izy.
- 8Fa Zakaiosy kosa nitsangana ka nanao tamin’ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an’ny malahelo; ary raha misy zavatr’olona nalaiko tamin’ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany.
- 9Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak’i Abrahama koa.
- 10Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very.
- 11Ary raha mbola nihaino izany ny olona, dia nandroso niteny ihany Jesosy ka nanao fanoharana, satria efa akaiky an’i Jerosalema Izy, ka nataon’ny olona fa hiseho faingana ny fanjakan’Andriamanitra.
- 12Dia hoy Izy: Nisy andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina.
- 13Dia niantso folo lahy tamin’ny mpanompony izy ary nanome azy farantsa* folo ka nanao taminy hoe: Mandrantoa mandra-pihaviko. [*Gr. mina = drakma = tokony ho farantsa 15]
- 14Fa ny vahoakany* nankahala azy, dia nampitondra reny nanaraka azy nanao hoe: Tsy manaiky hanjakan’iny lehilahy iny izahay.[*Na: vahoaka namany]
- 15Ary nony tafaverina izy, rehefa nandray fahefana hanjaka, dia nasainy nantsoina hankeo aminy izany mpanompo nomeny ny vola izany mba hahitany izay azony tamin’ny fandrantoana.
- 16Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa nahazoana tombony farantsa folo.
- 17Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin’ny kely indrindra ianao, dia manapaha tanàna folo.
- 18Dia tonga ny anankiray koa ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa tonga farantsa dimy.
- 19Ary hoy koa izy tamin’io: Manapaha tanàna dimy koa ianao.
- 20Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin’ny mosara.
- 21Fa natahotra anao aho, satria olona mila voatsiary ianao ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao.
- 22Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko;
- 23koa nahoana no tsy napetrakao tamin’ny mpanana vola ny volako, ka rehefa tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany?
- 24Ary hoy izy tamin’izay nitsangana teo anilany: Alao ny farantsa eny aminy, ka omeo ilay manana farantsa folo
- 25(Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana farantsa folo izy.)
- 26Lazaiko aminareo: Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin’izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
- 27Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento atỳ , ka vonoy eto anatrehako.
- 28Ary rehefa niteny izany Izy, dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema.
- 29Ary raha nanakaiky an’i Betifaga sy Betania teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva Izy, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianatra
- 30ka nanao hoe: Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan’olona; vahao izy, ka ento erỳ .
- 31Ary raha misy manontany anareo hoe: Nahoana no vahanareo io? dia izao no holazainareo: Misy raharaha analan’ny Tompo azy.
- 32Ary nony nandeha ireo nirahina, dia nahita araka izay nolazainy taminy.
- 33Ary raha namaha ny zana-boriky izy, dia hoy ny tompony taminy: Nahoana no vahanareo ny zana-boriky?
- 34Ary hoy izy: Misy raharaha analan’ny Tompo azy.
- 35Dia nitondra azy ho any amin’i Jesosy izy ary nametraka ny lambany teo ambonin’ny zana-boriky, ka nampitaingeniny azy Jesosy.
- 36Ary raha nandeha Jesosy, dia namelatra ny lambany teny an-dalana izy lreo.
- 37Ary rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin’ny tendrombohitra Oliva, dia nifaly avokoa ny mpianatra maro be ka nidera an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitany
- 38ka nanao hoe: Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah. Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin’ny avo indrindra.
- 39Fa ny Fariseo sasany, izay teo amin’ny vahoaka, nanao taminy hoe: Mpampianatra รด, rarao ny mpianatrao.
- 40Fa Izy namaly ka nanao hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso.
- 41Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy
- 42ka nanao hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin’ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! - fa ankehitriny miafina amin’ny masonao izany.
- 43Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan’ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina
- 44ary hamongotra anao hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin’ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.
- 45Ary niditra teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy, dia nandroaka izay nivarotra
- 46ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko dia trano fivavahana (Isa. 56. 7); fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren’ny jiolahy (Jery. 7. 11).
- 47Ary nampianatra isan’andro teo an-kianjan’ny tempoly Izy. Fa ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy;
- 48nefa tsy hitany izay hataony, satria ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.