Lioka
Toko 10
- 1Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.
- 2Ary hoy Izy taminy: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.
- 3Mandehana; indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo ampovoan’ny amboadia*.[* lopa]
- 4Aza mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy, na kapa; ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana.
- 5Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin’ity trano ity.
- 6Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany.
- 7Ary mitoera ao amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay zavatra omeny; fa ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany. Aza mifindrafindra trano.
- 8Ary izay tanàna iakaranareo, ka mandray anareo ny olona, dia hano izay zavatra aroso eo anoloanareo.
- 9Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin’ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.
- 10Fa izay tanàna iakaranareo, ka tsy mandray anareo kosa ny olona, dia mankanesa eo amin’ny lalambe, ka lazao hoe:
- 11Ny vovoky ny tanànanareo aza, izay miraikitra amin’ny tongotray, dia fafànay hiampanga anareo; nefa aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.
- 12Lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’i Sodoma amin’izany andro izany noho ny ho amin’izany tanàna izany.
- 13Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin’ny lavenona.
- 14Fa ho moramora kokoa ny ho amin’i Tyro sy Sidona amin’ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.
- 15Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Haetry hatrany amin’ny fiainan-tsi-hita* ianao.[*Gr. Hadesy]
- 16Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy.
- 17Ary ny fito-polo lahy niverina tamin’ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.
- 18Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an’i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra.
- 19Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory.
- 20Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.
- 21Ary tamin’izany ora izany dia ravoravo tamin’ny Fanahy Masina Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao.
- 22Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.
- 23Ary nitodika tamin’ny mpianany Izy, dia nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo.
- 24Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary naniry nahare izay renareo, fa tsy nahare.
- 25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
- 26Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy?
- 27Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5); ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
- 28Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho velona ianao.
- 29Fa izy ta-hanamarina ny tenany ka nanao tamin’i Jesosy hoe: Iza ary no namako?
- 30Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty.
- 31Ary sendra nisy mpisorona anankiray nidina tamin’izany lalana izany; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy.
- 32Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa.
- 33Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin’ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena.
- 34Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin’ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin’ny tranom-bahiny, dia notsaboiny.
- 35Ary nony ampitson’iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon’ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho.
- 36Iza moa amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?
- 37Ary hoy izy: Ilay niantra azy. Dia hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa.
- 38Ary raha nandeha izy ireo, dia niditra teo amin’ny vohitra anankiray Jesosy; ary nisy vehivavy anankiray atao hoe Marta nampiantrano Azy ho ao an-tranony.
- 39Ary izy nanana rahavavy atao hoe Maria, izay nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny.
- 40Fa Marta sahirana tamin’ny fanompoana be; dia avy izy ka nanao hoe: Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery? koa mba asaovy manampy ahy izy.
- 41Fa ny Tompo namaly ka nanao taminy hoe: Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina ianao;
- 42nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.