Lioka
Toko 2
- 1Ary tamin’izany andro izany dia nisy didy navoak’i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran’ny vahoaka rehetra amin’ny fanjakany.
- 2(Izany no fanoratana voalohany* natao fony Kyrenio nanapaka tany Syria.)[*Na: Ny tena fanoratana voalohany anefa dia]
- 3Dia samy nankany amin’ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana.
- 4Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan’i Davida, iza atao hoe Betlehema (satria avy tamin’ny taranak’i Davida sy ny mpianakaviny),
- 5mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka.
- 6Ary raha nitoetra teo Izy, dia tonga ny andro hahavelomany.
- 7Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin’ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.
- 8Ary nisy mpiandry ondry tamin’izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin’ny alina.
- 9Ary nisy anjelin’ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy.
- 10Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra;
- 11fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.
- 12Ary izao no ho famantarana ho anareo: ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona;
- 13Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin’ilay anjely teo ka nidera an’Andriamanitra nanao hoe:
- 14Voninahitra any amin’ny avo Indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany*. [*Na: Fankasitrahana ho amin’ny olona]
- 15Ary tamin’izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an- danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin’ny Tompo antsika.
- 16Dia nandeha faingana izy ka nahita an’i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona.
- 17Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin’izany Zaza izany.
- 18Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin’izay zavatra nolazain’ny mpiandry ondry taminy.
- 19Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony.
- 20Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza ny nidera an’Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny ny hitany, araka izay nolazaina taminy.
- 21Ary rehefa tapitra ny havaloana, ka hoforana ny Zaza, dia nataony hoe Jesosy ny anarany, araka ilay nataon’ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy.
- 22Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn’i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an’ny Tompo
- 23araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masina ho an’i Jehovah. (Eks. 13. 2)
- 24ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin’ny lalàn’ny Tompo hoe: domohina roa, na zana-boromailala roa (Lev. 12. 8).
- 25Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy.
- 26Ary efa nambaran’ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin’ny Tompo.
- 27Ary nentin’ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan’ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin’ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban’ny lalàna ny amin’ny zaza,
- 28dia nitrotro Azy izy ka nidera an’Andriamanitra nanao hoe:
- 29Tompo รด, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana Araka ny teninao;
- 30Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao,
- 31Izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra,
- 32Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.
- 33Dia gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny nilazana Azy.
- 34Ary Simeona nitso-drano azy ireo ka nanao tamin’i Maria, renin’ny Zaza, hoe: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin’ny Isiraely ary ho famantarana holavina
- 35ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra - mba haseho ny hevitry ny fo maro.
- 36Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin’i Fanoela, avy tamin’ny firenen’i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin’ny vadiny fito taona taorian’ny naha-virijina azy,
- 37ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valo-polo taona; ary tsy niala teo an-kianjan’ny tempoly izy, fa nanompo tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman’alina.
- 38Ary nony niditra tamin’izany ora izany izy, dia nisaotra an’Andriamanitra ka nilaza Azy tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema.
- 39Ary rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.
- 40Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan’Andriamanitra no tao aminy.
- 41Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin’ny Paska.
- 42Ary rehefa roa ambin’ny folo taona Jesosy, dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin’ny andro firavoravoana.
- 43Ary rehefa tapitra izany andro izany, ka nody izy, Jesosy zaza dia mbola nitoetra tany Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany;
- 44ary satria nataony fa niaraka tamin’ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha lalana indray andro izy vao nitady Azy tamin’ny havany sy ny olom-pantany.
- 45Ary nony tsy nahita Azy izy, dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy.
- 46Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan’ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.
- 47Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.
- 48Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izay taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!
- 49Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon*’ny Raiko Aho?[*Na: eto amin’ny raharahan’]
- 50Nefa tsy azon’ireo ny teny izay nolazainy taminy.
- 51Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony.
- 52Ary Jesosy nitombo saina sy tena* sady nandroso fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona.[*Na: taona]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.