Lioka
Toko 4
- 1Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin’ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy
- 2ka nalain’ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin’izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy.
- 3Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak’Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo.
- 4Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona (Deo. 8. 3).
- 5Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao.
- 6Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin’ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy;
- 7koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany.
- 8Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13; 10. 20).
- 9Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon’ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any;
- 10fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao;
- 11Ary eny an-tànany no hitondran’ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12).
- 12Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16).
- 13Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha.
- 14Ary Jesosy niverina tamin’ny herin’ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin’ny tany rehetra manodidina ny lazany.
- 15Ary Izy nampianatra teny amin’ny synagogan’ny olona ka nankalazain’izy rehetra.
- 16Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin’ny synagoga tamin’ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.
- 17Dia natolotra Azy ny bokin’Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe:
- 18Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin’ny jamba, Hanafaka izay nampahorina,
- 19Hitory ny taona ankasitrahan’i Jehovah (Isa. 61. 1, 2).
- 20Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin’ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason’izay rehetra teo amin’ny synagoga.
- 21Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.
- 22Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin’ny fahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy: Tsy Zanak’i Josefa va Ity?
- 23Ary hoy kosa Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: Mpanao fanafody, sitrano ny tenanao: izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin’ny taninao koa.
- 24Ary hoy koa Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin’ny taniny.
- 25Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin’ny Isiraely tamin’ny andron’i Elia, raha nihantona ny andro* telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin’ny tany rehetra;[*Gr.nirindrina ny lanitra]
- 26nefa tsy mba nirahina ho any amin’ny anankiray tamin’ireo Elia, fa ho any Zarefata any amin’ny tany Sidona ihany, dia ho any amin’izay vehivavy mpitondratena.
- 27Ary maro no boka teo amin’ny Isiraely tamin’ny andron’i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na dia iray akory aza fa Namàna Syriana ihany.
- 28Dia tezitra loatra izay rehetra teo amin’ny synagoga, raha nandre izany,
- 29ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy hiala ao an-tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon’ny havoana niorenan’ny tanàna, mba hazerany amin’ny hantsana.
- 30Nefa Izy namaky teo afovoany, ka dia lasa nandeha.
- 31Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin’ny Sabata.
- 32Dia talanjona ny olona tamin’ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny.
- 33Ary nisy olona tao amin’ny synagoga, izay nanana ny fanahin’ny demonia maloto, dia niantso tamin’ny feo mahery izy
- 34ka nanao hoe: Indrisy! moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin’Andriamanitra Hianao.
- 35Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan’ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy.
- 36Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin’ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo.
- 37Ary niely teny amin’ny tany manodidina rehetra ny lazany.
- 38Ary nony nitsangana niala tao amin’ny synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon’i Simona. Ary azon’ny tazo mafy ny rafozam-bavin’i Simona; ary izy ireo nangataka taminy hahasitrana azy.
- 39Dia nitsangana teo akaikiny Izy, ka noteneniny mafy ny tazo, dia niala tamin-dravehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin’izay izy ka nanompo azy ireo.
- 40Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin’ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin’izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy.
- 41Ary nisy demonia nivoaka tamin’ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak’Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.
- 42Ary nony maraina ny andro, dia niala Jesosy ka nankany an-tany foana; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo aminy ka te-hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy.
- 43Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.
- 44Ary Izy nitori-teny tao amin’ny synagoga eran’i Galilia.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.