Lioka
Toko 12
- 1Ary tamin’izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin’ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema* ianareo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.[*Na: niteny tamin’ny mpianany ka nanao hoe: Ambony indrindra, mitandrema]
- 2Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
- 3Koa na inona na inona teneninareo ao amin’ny maizina dia ho re eo amin’ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin’ny efi-trano dia hotorina eo amin’ny tampon-trano.
- 4Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.
- 5Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin’ny helo*, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.[*Gr. Gehena]
- 6Tsy eranambatry va no vidin’ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.
- 7Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
- 8Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia heken’ny Zanak’olona kosa izy eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra;
- 9Fa izay mandà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra.
- 10Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy* ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.[*Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9.3]
- 11Ary raha mitondra anareo ho ao amin’ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo;
- 12fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin’izany ora izany izay mety holazainareo.
- 13Ary nisy anankiray teo amin’ny vahoaka nanao tamin’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.
- 14Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?
- 15Ary hoy Izy tamin’ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon’ny fieremana ianareo; fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany.
- 16Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin’ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be.
- 17Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho?
- 18Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.
- 19Dia hilaza amin’ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.
- 20Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharinao?
- 21Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’Andriamanitra.
- 22Ary hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin’ny tenanaren, izay hotafinareo.
- 23Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.
- 24Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?
- 25Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany*, na dia kely monja** aza? [*Na: ny halavan’ny tenany] [**Gr. hakiho iray]
- 26Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin’ny sisa?
- 27Hevero ny fanirin’ny voninkazo*; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia Solomona teo amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ireny.[* Karazan’ny lilia]
- 28Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana?
- 29Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana*.[*Na: aza aingaingain’ny fanantenana foana]
- 30Fa ny jentilisa amin’izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.
- 31Kanefa katsaho ny fanjakany*; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.[*Na: (ny fanjakan’Andriamanitra)]
- 32Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
- 33Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon’ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.
- 34Fa izay itoeran’ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo.
- 35Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo;
- 36ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin’ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin’izay.
- 37Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy.
- 38Ary na avy amin’ny fiambenana faharoa amin’ny alina izy, na avy amin’ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.
- 39Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian’ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
- 40Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak’olona amin’izay ora tsy ampoizinareo.
- 41Ary hoy Petera: Tompoko, izahay va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ny olona rehetra?
- 42Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandri-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin’ny fotoana?
- 43Sambatra ny mpanompo Izay ho hitan’ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy.
- 44Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
- 45Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,
- 46dia ho avy ny tompon’izany mpanompo izany amin’ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa* izy ka homeny anjara any amin’ny tsy mahatoky.[*Na: hokapohiny mafy]
- 47Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon’ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be.
- 48Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.
- 49Tonga hanipy afo etỳ ambonin’ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan’izany sahady*?[*Na: ary inona intsony no iriko, raha mirehitra sahady izany?]
- 50Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany!
- 51Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana.
- 52Fa hatramin’izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo.
- 53Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zananilahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zananivavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy.
- 54Ary hoy Jesosy tamin’ny vahoaka: Raha mahita rahona miposaka any andrefana ianareo, miaraka amin’izay dia hoy ianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany.
- 55Ary raha avy any atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany.
- 56Hianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin’ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao?
- 57Nahoana ianareo no tsy mahalala mitsara araka ny marina*? [*Na: Nahoana ianareo no tsy mahay mitsara marina avy ao am-ponareo ihany?]
- 58Fa raha miara-mandeha amin’ny manana ady aminao ianao hanatrika ny mpanapaka, raha mbola any an-dalana dia mazotoa manao izay hahafahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin’ny mpitsara izy, ary ny mpitsara hanolotra anao amin’ny mpamatotra, ary ny mpamatotra hanao anao ao an-tranomaizina.
- 59Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.