Lioka
Toko 23
- 1Ary ny olona rehetra nitsangana ka nitondra an’i Jesosy tany amin’i Pilato,
- 2dia niampanga Azy ka nanao hoe: Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an’i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.
- 3Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ny Jiosy? Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Voalazanao.
- 4Dia hoy Pilato tamin’ny lohan’ny mpisorona sy ny vahoaka: Tsy hitako izay helok’ity Lehilahy ity.
- 5Fa vao mainka nandentika ireo ka nanao hoe: Nampiodina ny olona Izy sady nampianatra eran’i Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia ka hatraty.
- 6Raha nandre izany Pilato, dia nanontany raha olona avy any Galilia Jesosy.
- 7Ary rehefa fantany fa avy tamin’ny tany tapahin’i Heroda Izy, dia nampanatitra Azy tany amin’i Heroda izy, fa tany Jerosalema koa Heroda tamin’izany andro izany.
- 8Ary faly dia faly Heroda, raha nahita an’i Jesosy; fa efa naniry ela hahita Azy izy, satria efa nandre ny aminy ary nanantena hahita famantarana hataony.
- 9Ary izy nanontany Azy teny maro; fa tsy namaly teny azy akory Jesosy.
- 10Ary ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nijanona teo dia nitompo teny fatratra hiampanga Azy.
- 11Ary Heroda sy ny miaramilany namingavinga Azy ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo tsara ka namerina Azy tany amin’i Pilato.
- 12Ary tonga nisakaiza Heroda sy Pilato tamin’izany andro izany; kanefa nifandrafy izy roa lahy talohan’izany.
- 13Ary rehefa nasain’i Pilato novorina ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny vahoaka,
- 14dia hoy izy taminy: Entinareo atỳ amiko ity Lehilahy ity toy ny nampiodina ny vahoaka; ary, indro, efa nanadina Azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy hitako izay helok’ity Lehilahy ity amin’izay iampanganareo Azy.
- 15Tsia, na dia Heroda koa aza, fa namerina Azy hoy amintsika izy; ary, indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy;
- 16koa hofaizako Izy, dia halefako.
- 17* [Ampio hoe: 17 Fa tsy maintsy mandefa ny anankiray ho an’ny olona izy amin’ny andro firavoravoana]
- 18Fa izy rehetra niantso mafy indray miredona nanao hoe: Vonoy Io, ka Barabasy no alefaso ho anay!
- 19Nefa natao tao an-tranomaizina io Barabasy io noho ny fikomiana tao an-tanàna sy ny vonoan-olona.
- 20Ary satria tian’i Pilato halefa Jesosy, dia niteny indray izy.
- 21Fa ny olona niantso kosa ka nanao hoe: Homboy, homboy amin’ny hazo fijaliana Izy!
- 22Fa hoy izy taminy fanintelony: Ka inona ary no ratsy nataony: tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy koa hofaizako Izy, dia halefako.
- 23Fa niantso tamin’ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an’i Jesosy amin’ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon’ny olona.
- 24Ary Pilato dia nandidy hanao izay nangatahiny.
- 25Ary dia nalefany ilay natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy ny vonoan-olona, satria io no nangatahiny; fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony.
- 26Ary raha nitondra an’i Jesosy izy, dia nitana lehilahy Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra iny ny hazo fijaliana hanaraka an’i Jesosy.
- 27Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy.
- 28Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe: Ry zanakavavin’i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo.
- 29Fa, indro, ho avy ny andro izay hilazany hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza.
- 30Dia hilaza amin’ny tendrombohitra hoe izy: Mianjerà aminay; ary amin’ny havoana hoe: Saròny izahay (Hos. 10. 8).
- 31Fa raha ataony amin’ny hazo maitso izany hatao ahoana amin’ny maina?
- 32Ary nisy olon-dratsy roa lahy nentina hiaraka hovonoina aminy koa.
- 33Ary rehefa tonga teo amin’ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an’i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany.
- 34Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany.
- 35Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny ny tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra, dia Ilay nofidina.
- 36Ary ny miaramila koa nihomehy Azy, dia nankeo ka nanome Azy vinaingitra,
- 37sady nanao hoe: Raha Hianao no Mpanjakan’ny Jiosy, vonjeo ny tenanao.
- 38Ary nisy soratra teo amboniny nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN’NY JIOSY.
- 39Ary ny anankiray tamin’ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay.
- 40Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy mba matahotra an’Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?
- 41Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin’ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza.
- 42Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Hianao.
- 43Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.
- 44Ary rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin’ny ora fahasivy izany,
- 45satria nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba teo amin’ny tempoly.
- 46Ary niantso tamin’ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko (Sal. 31. 5); ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.
- 47Ary ny kapiteny, raha nahita izay zavatra tonga teo, dia nankalaza an’Andriamanitra ka nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io.
- 48Ary ny vahoaka rehetra izay vory teo mba hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga teo, dia niverina miteha-tratra.
- 49Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia nijanona teny lavidavitra eny nijery izany zavatra izany.
- 50Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay isan’ny Synedriona, dia lehilahy tsara fanahy sady marina.
- 51Izany lehilahy izany tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon’ny sasany; avy tany Arimatia, tanànan’ny Jiosy, izy sady niandry ny fanjakan’Andriamanitra.
- 52Izany lehilahy izany dia nankao amin’i Pilato ka nangataka ny fatin’i Jesosy.
- 53Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia naleviny tao amin’ny fasana nolavahana tamin’ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona.
- 54Ary andro fiomanana izany andro izany, ka efa antomotra ny Sabata.
- 55Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty.
- 56Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin’ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.