Lioka
Toko 17
- 1Ary hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan’izay olona mahatonga izany!
- 2Aleo anantonana vato lehibe* fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza.[*Na: ahodim-boriky]
- 3Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony.
- 4Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.
- 5Ary hoy ny Apostoly tamin’ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay.
- 6Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin’io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin’ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.
- 7Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany, na miandry ondry, ka raha tonga avy tany an-tsaha ilay mpanompo, dia hanao aminy hoe: Avia faingana, ka mipetraha hihinana?
- 8Fa tsy hilaza aminy kosa hoe va izy: Manamboara izay hisakafoako, ary misikìna, ka manompoa ahy ambara-pihinako sy hisotroako; fa rehefa vita izany, dia vao mahazo mihinana sy misotro ianao?
- 9Moa misaotra izany mpanompo izany va izy, satria nataony izay nandidiany?
- 10Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo ny mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.
- 11Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an’i* Samaria sy Galilia.[*Na: Teny anelanelan’i]
- 12Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny.
- 13Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay.
- 14Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana.
- 15Ary ny anankiray tamin’ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery
- 16sady niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny.
- 17Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy?
- 18Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an’Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?
- 19Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
- 20Ary Jesosy, nony nanontanian’ny Fariseo izay andro hihavian’ny fanjakan’Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin’ny fanjakan’Andriamanitra.
- 21Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, etỳ! na erỳ ! fa, indro, ny fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo*.[*Na: efa eo aminareo]
- 22Ary hoy Izy tamin’ny mpianatra: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin’ny andron’ny Zanak’olona, nefa tsy hahita ianareo.
- 23Ary ny olona hilaza aminareo hoe: Indro, erỳ ! na: Indro, etỳ! nefa aza mandeha ianareo, na manaraka azy.
- 24Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin’ny faravodilanitra ka mahazava hatramin’ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak’olona amin’ny androny,
- 25Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha ka holavin’ity taranaka ity.
- 26Ary tahaka ny tamin’ny andron’i Noa, dia hisy toy izany koa amin’ny andron’ny Zanak’olona:
- 27nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra.
- 28Ary tahaka ny tamin’ny andron’i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy;
- 29fa tamin’ny andro izay nivoahan’i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra.
- 30Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’olona.
- 31Amin’izany andro izany izay eo an-tampon-trano, ary ny entany ao an-trano, dia aoka tsy hidina haka izany; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina amin’izay efa nilaozany izy.
- 32Tsarovy ny vadin’i Lota.
- 33Na zovy na zovy mitady hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia hahazo izany.
- 34Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany hisy roa lahy miray fandriana; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
- 35Hisy roa vavy miara-mitoto vary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
- 36* [* Ampio hoe: Hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela]
- 37Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza, Tompoko? Ary hoy Izy taminy: Izay itoeran’ny faty, dia any koa no hiangonan’ny voromahery.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.