Lioka
Toko 20
- 1Ary tamin’ny andro anankiray, raha nampianatra ny olona teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy ka nitory ny filazantsara, dia nanatona ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona
- 2ka niteny taminy hoe: Lazao aminay: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? ary iza no nanome Anao izany fahefana izany?
- 3Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, ka lazao amiko:
- 4Ny batisan’i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ny olona?
- 5Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo?
- 6Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria inoany ho mpaminany Jaona.
- 7Dia namaly ireo fa tsy fantany izay nihaviany.
- 8Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
- 9Dia nilaza izao fanoharana izao tamin’ny olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka, ka nahofany tamin’olona mpiasa tany izany, dia nandeha nitoetra ela tany an-tany hafa izy.
- 10Ary tamin’ny fotoana dia naniraka mpanompo hankany amin’ny mpiasa tany izy mba handray amin’ny vokatry ny tanim-boaloboka; fa ny mpiasa tany nikapoka azy ka nampandeha azy maina.
- 11Dia naniraka mpanompo anankiray koa izy; ary nokapohiny mafy koa iny sady nalany baraka ka nampandehaniny maina.
- 12Dia naniraka anankiray koa izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny.
- 13Dia hoy ny tompon’ny tanim-boaloboka: Inona re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako aho; angamba hanaja azy izy.
- 14Fa raha nahita iny ny mpiasa tany, dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika io, mba ho antsika ny lova.
- 15Dia namoaka azy tany ivelan’ny tanim-boaloboka izy ka namono azy. Hataon’ny tompon’ny tanim-boaloboka ahoana moa izy amin’izany?
- 16Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo, dia hoy izy: Sanatria izany!
- 17Ary Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Ahoana moa izao voasoratra izao: Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro? (Sal. 118. 22).
- 18Izay rehetra potraka amin’izany vato izany dia ho torotoro; fa na iza na iza no ianjerany dia ho mongomongo.
- 19Ary tamin’izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dalàna sy ny lohan’ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin’izany fanoharana izany.
- 20Ary nizaha taratra an’i Jesosy izy ka naniraka mpitsikilo, izay nody ho marina, mba hamandrika Azy amin’ny teniny, hanolorany Azy ho amin’ny hery sy ny fahefan’ny governora.
- 21Ary ireo nanontany Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao ka tsy mizaha tavan’olona, fa mampianatra marina ny lalan’Andriamanitra:
- 22Mety va raha mandoa vola hetra ho an’i Kaisara izahay, sa tsia?
- 23Fa Jesosy nahafantatra ny fihendreny ka nanao taminy hoe:
- 24Mampisehoa denaria amiko. An’iza moa io sary sy soratra eo aminy io? Hoy ireo: An’i Kaisara.
- 25Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.
- 26Ary tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan’ny olona izany teny izany sady gaga izy noho ny famaliny ka nangina.
- 27Ary ny sasany tamin’ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ny maty, dia nanatona ka nanontany Azy hoe:
- 28Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin’ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).
- 29Koa nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
- 30Ary ny faharoa
- 31sy ny fahatelo koa nampakatra azy; ary tahaka izany avokoa no nataon’izy fito mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy.
- 32Ary farany dia maty koa ravehivavy.
- 33Koa amin’ny fitsanganan’ny maty ho vadin’iza moa ravehivavy? fa samy efa nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.
- 34Ary Jesosy nanao taminy hoe: Ny zanak’izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina;
- 35fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin’ny maty kosa dia tsy raha mampaka-bady, na avoaka hampakarina;
- 36ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin’ny anjely sady zanak’Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin’ny maty.
- 37Ary Mosesy aza nanambara teo amin’ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an’i Jehovah hoe Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’isaka ary Andriamanitr’i Jakoba (Eks. 3. 6).
- 38Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an’ny velona; fa velona ho an’Andriamanitra avokoa izy rehetra.
- 39Ary ny mpanora-dalàna sasany namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, marina izay nolazainao.
- 40Fa tsy nisy sahy nanontany Azy intsony ireo.
- 41Ary hoy Jesosy taminy: Ahoana no lazaina fa Kristy no Zanak’i Davida?
- 42Fa Davida ihany no milaza eo amin’ny bokin’ny Salamo hoe: Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
- 43Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran’ny tongotrao (Sal. 110. 1).
- 44Davida amin’izany manao Azy hoe Tompo; koa ahoana no maha-Zanany Azy?
- 45Ary hoy Jesosy tamin’ny mpianany teo anatrehan’ny olona rehetra:
- 46Mitandrema ny amin’ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain’ny olona eny an-tsena, sady tia ny fipetrehana aloha eo amin’ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin’ny fanasana,
- 47ary mandany ny tranon’ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.