Matio
Toko 9
- 1Ary niondrana an-tsambokely Izy, dia nita ka tonga tao an-tanànany.
- 2Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin’ny paralysisa nandry tamin’ny fandriana nentin’ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ireo, dia nanao tamin’ilay mararin’ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao.
- 3Ary, indreo, ny mpanora-dalàna sasany nanao anakampo hoe: Miteny ratsy* ity Lehilahy ity. [*Gr. manao blasfemia, dia miteny ratsy, indrindra fa ny amin’Andriamanitra, na mihambo hanana izay fomban’Andriamanitra]
- 4Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
- 5Fa iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
- 6Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manana fahefana eto ambonin’ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin’ilay mararin’ny paralysisa): Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
- 7Dia nitsangana izy ka lasa nody tany an-tranony.
- 8Ary ny vahoaka, raha nahita izany, dia raiki-tahotra ka nankalaza an’Andriamanitra, Izay nanome ny olona fahefana toy izany.
- 9Ary nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra*, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy.[*Dia ny hetra sy ny fadin-tseranana, etc]
- 10Ary raha nipetraka nihinana tao an-trano Izy, indreo, nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka niara-nipetraka tamin’i Jesosy mbamin’ny mpianany.
- 11Ary ny Fariseo, raha nahita izany, dia niteny tamin’ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?
- 12Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
- 13Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos 6:6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.
- 14Dia nankany amin’i Jesosy ny mpianatr’i Jaona ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?
- 15Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan’ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin’izay vao hifady izy.
- 16Ary tsy misy olona manampina lamba tonta amin’ny tapa-damba tsy mbola voalòna; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra.
- 17Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian’ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.
- 18Raha mbola nilaza izany taminy Izy, indro, tonga ny mpanapaka anankiray, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Maty ankehitriny izao ny zanako-vavy; fa andeha re, mametraha ny tananao aminy, dia ho velona izy.
- 19Dia nitsangana nanaraka azy Jesosy mbamin’ny mpianany.
- 20Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa narary* roa ambin’ny folo taona, nankeo ivohony ka nanendry ny somotraviavin-dambany. [*Gr. narary nandeha rà]
- 21Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana* aho.[*Na: voavonjy]
- 22Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana* anao. Dia sitrana** ilay vehivavy tamin’izay ora izay. *Na: namonjy.[*Na: voavonjy]
- 23Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba,
- 24dia nanao hoe: Mivoaha; fa tsy maty razazavavy, fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona.
- 25Ary nony efa navoaka ny olona, dia niditra Jesosy ka nandray ny tànan-drazazavavy, dia nitsangana izy.
- 26Ary ny lazan’izany dia niely tamin’izany tany rehetra izany.
- 27Ary nony niala teo Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak’i Davida ô!
- 28Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko.
- 29Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo.
- 30Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr’olona izao.
- 31Kanjo nony niala teo izy roa lahy, dia nampiely ny lazany tamin’izany tany rehetra izany.
- 32Ary rehefa nivoaka ireo, dia indro, nisy lehilahy moana anankiray izay demoniaka nentin’ny olona tany amin’i Jesosy.
- 33Ary rehefa navoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka nanao hoe: Tsy mbola nisy niseho toy izao tamin’ny Isiraely.
- 34Fa ny Fariseo kosa nanao hoe: Ny lohan’ny demonia no amoahany ny demonia.
- 35Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin’ny synagoga sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra.
- 36Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
- 37Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
- 38Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.