Matio
Toko 21
- 1Ary raha nanakaiky an’i Jerosalema izy ka tonga tao Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka nanao taminy hoe:
- 2Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin’izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy ianareo; vahao izy, dia ento etỳ amiko.
- 3Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan’ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin’izay izy.
- 4Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe:
- 5Lazao amin’i Ziona zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina boriky, Dia zanaky ny boriky miasa* (Zak. 9. 9).[*Gr. mitondra zioga]
- 6Ary dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nandidian’i Jesosy azy,
- 7dia nentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia nitaingina azy.
- 8Ary ny ankabiazan’ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dalana koa izany.
- 9Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana* ho an’ny Zanak’i Davida! Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah! Hosana* any amin’ny avo indrindra (Sal. 118. 26).[*Hosana = vonjeo re!]
- 10Ary nony efa tafiditra tany Jerosalema Izy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe: Iza moa izao?
- 11Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesosy mpaminany Izay avy any Nazareta any Galilia.
- 12Ary Jesosy niditra teo an-kianjan’ny tempolin’Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan’ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ny mpivarotra ny voromailala;
- 13dia hoy Izy taminy: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana (Isa. lvi. 7); fa ianareo kosa manao azy ho zohy fieren’ny jiolahy (Jer. 7. 11).
- 14Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy teo an-kianjan’ny tempoly, dia nahasitrana azy Izy.
- 15Fa nony hitan’ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan’ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an’ny Zanak’i Davida! - dia tezitra izy
- 16ka nanao taminy hoe: Renao va izay lazain’ireo? Dia hoy Jesosy taminy: Eny; tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana (Sal. 8. 2)?
- 17Dia nandao azy Izy ka niala tao an-tanàna hankany Betania; ary dia nitoetra tao mandritra ny alina Izy.
- 18Ary nony niverina maraina hankany an-tanàna Izy, dia noana.
- 19Ary nahita hazo aviavy* anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy.[*aviavimbazaha]
- 20Ary nony hitan’ny mpianatra izany, dia gaga izy ka nanao hoe: Nanao ahoana re no dia nahamaina vetivety io aviavy io?
- 21Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin’ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin’ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany.
- 22Ary na inona na inona no angatahinareo amin’ny fivavahana atao amin’ny finoana dia ho azonareo.
- 23Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?
- 24Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha, ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany:
- 25Ny batisan’i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ny olona? Ary izy ireo niara-nisaina* ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy ianareo?[*Na:nieritreritra]
- 26Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon’izy rehetra ho mpaminany Jaona.
- 27Dia namaly an’i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Dia hoy Jesosy taminy: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany.
- 28Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin’ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin’ny tanim-boaloboko anio.
- 29Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany.
- 30Dia nankeo amin’ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy.
- 31Ka iza moa amin’izy mirahalahy no nanao ny sitrapon’ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
- 32Fa Jaona nankany aminareo tamin’ny lalan’ny fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy.
- 33Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanim-boaloboka, dia namefy azy manodidina dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin’olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin’ny tany hafa izy.
- 34Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ny mpiasa tany handray ny vokatra.
- 35Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato.
- 36Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo; fa nataony toy izany koa ireny.
- 37Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
- 38Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany.
- 39Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan’ny tanim-boaloboka, dia namono azy.
- 40Koa raha tonga ny tompon’ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany?
- 41Hoy izy taminy: Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanim-boaloboka dia hahofany amin’ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny vokatra amin’ny fotoany avy.
- 42Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina hoe: Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin’i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22-23).
- 43Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.
- 44Ary izay potraka amin’ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo*.[*Gr. haely toy ny vovoka]
- 45Ary rehefa ren’ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon’i Jesosy, dia fantany fa ny tenany no nolazainy amin’izany.
- 46Dia nitady hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon’ny vahoaka ho mpaminany Jesosy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.